hoy ny antoko politika Teza. Mbola miziriziry hijanona eo amin’ny fitondràna ingahy Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ity antoko ity, Jean Louis Rakotoamboa. Mbola tsy nametra-pialàna hatramin’ny androany. Ny vahoaka nefa etsy andaniny mitaky ny fialàny satria izy no olana teto amin’ity firenena ity ary nitondra olana teto amin’ity firenena ity. Atosiky ny frantsay mbola hiziriziry ingahy Rajoelina. Nampian’ingahy Macron, izay nikabary farany teo izy, hoe mila mijanona amin’ny ara-dalàna foana isika fa raha tsy izany tsy mahazo vola, tsy mahazo fanampiana sy ny tariny avy amin’ny vondrona iraisampirenena tandrefana izany, araka ny heritreriny. Fomba fijerin’ny mpanjanaka manana tombontsoa arovana eto moa io. Natao foana teto izany famerenana ny ara-dalàna izany, ny fifidianana mialohan’ny fotoana mba hahafahan’ny frantsay mametraka ny saribakoliny eto lava, izay mampijaly sy mampikatso ny fiainam-pirenena eto. Tokony ialàna amin’izay ny fampitahorana hoe tsy mahazo amin’ireo raha tsy izao sy izao! Mila manao fanorenana ny repoblika isika. Fanorenana ny firenena miankina amin’ireo fitsipiky ny demokrasia. Isany ny lalàmpanorenana, lalàna mifehy ny fifidianana, lalàna mifehy ny antoko, sata mifehy ny fifandraisana sy izay rehetra mifandraika amin’izany. Ilaina hanaovana adihevitra tsy anilihana an’iza na iza izany. Mandra-pahavita an’izay dia tsy maintsy miaina ny firenena. Tsy maintsy miditra amin’ny tetezamita 2 taona eo isika. Ravàna daholo ireo andrim-panjakàna hita fa mandàny volam-pirenena fotsiny. Isany ny antenimierandoholona, ny antenimieram-pirenena, ny HCC, CENI, Bianco, SAMIFIN, ny fitsaràna avo sy ny namany rehetra. Ny vola tokony ho ampiasaina amin’ireo aleo hanarenana ny firenena. Tokony hanao «redressement socio-économique d’urgence» na fanarenana maika ny toekarena sy sosialy isika. Ilaina jerena ny fidangan’ny vidim-piainana, ny JIRAMA, ny fampianarana, ny fahasalamàna sy ny rehetra. Praograma mikasika an’izay fotsiny no atao mandritry ny tetezamita aloha. Diovina ny firenena. Izay rehetra nanao adalàna teto, nangalatra teto, isany ingahy Andry Rajoelina, dia ilaina tsaraina. Manangana tribonaly manokana isika. Afaka miaro tena izy fa rehefa hita hoe misy adalàna nataony dia tokony ho zogainy. Mila fanarenana ny fandriampahalemana eto Madagasikara, hatrany ambanivohitra rehetra any. Milamina tsara izay rehetra izay vao idirana ny fifidianana. Tsy maintsy jerena koa ny lalàna mifehy ny antoko, indrindra, ny fidiram-bolan’ny antoko satria nampalahelo hatramin’izay ny hoe izay mahita famatsiam-bola tsy mazava foana milatsaka dia lany fa izay olona nitolona teto amin’ny firenena nefa tsy manam-bola, tsy afaka ny ho lany mihitsy. Mila iadian-kevitra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija