maro tsy hita isa no hita, misy bileta efa voamarika mialoha hita sy tratranay teny Ambohitsoa, misy fiara mampiahiahy mitety birao fandatsaham-bato nitatitra olona hifidy, hoy ny Antoko Tia Tanindrazana tamin’ny alalan’ny mpahay lalàna Rtoa Vola Ny Aina Ramanamizao omaly tolakandro. Teny Anosizato Atsinanana dia ny Filoham-pokontany mihitsy no mirotsaka manome « ordonnance » ny mpifidy, ary rarana ny delegen’ny kandida hafa ankoatran’ny an’ny kandida iray mba hijery ny karapanondron’ireo mpifidy hanamarina. Tany 67Ha Avaratra Atsinanana eo amin’ny CEG dia misy mpitandro filaminana eo amin’ny 80 eo rehefa tratra teo amin’ny birao fandatsaham-bato teo Anosibe izay nisy polisy tonga dia lasa nitsoaka nifindra teny amin’ny CEG 67HA. Nanipika ity mpahay lalàna ity, fa ananana porofo daholo ireo « ordonnance » tratra, hoy izy. Niantso ny vahoaka hiaro ny safidiny ny Tia Tanindrazana eo anatrehan’ny fisian’ny kandida izay manao vy very ny ainy amin’ny fandrombahana fandresena tsy ara-drariny, niantso ny hanamafisana ny fananganana ny andrimasom-pokonolona eo anatrehan’ny fandikan-dalàna. Nitondra fampitandremana ho an’ireo mitetika hanodikondina ny safidim-bahoaka, fa hijoro hiaro ny safidin’ny mpifidy, hijoro hanohitra amin’ny heriny rehetra hanenjika ny fandikan-dalàna ny Tia Tanindrazana, raha ny nambaran’ity mpahay lalàna ity hatrany.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny