airtel

Politique

24-févr-2023

Politique

Antoko TIM «Tsy izao izahay vao handeha hanongam-panjakana »

Sample post image

Taorian’ny taratasy nalefan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady Filoha Nasionalin’ny TIM tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sady Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana,

24-févr-2023

tonga teny aminy CENI ny birao politikan'ny antoko TIM omaly, niresaka sy naka ny hevitr’io Vaomieram-pifidianana io. Anton’izany ny fisian’ny fanakatsakanana ny hetsika ataon’ny antoko politika mikasika ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana aminy lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny TIM. Araka ny tatitra nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, nilaza ary nanamafy mihitsy ny Filohan’ny CENI fa tena ilaina ny fandraisan’anjaran’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena amin’ny fanentanana ny olona hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Nanamafy fa ilaina ny fanentanana, hoy ny tatitra. « Ny governemanta ohatry ny mialokaloka foana amin’ny hoe : fanakorontanana, izahay tena milaza fa tsy izao izahay vao handeha hanongam-panjakana. Izahay tena hanao izay hanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana, ary tsy misy zavatra takianay afatsy ny fifidianana madio satria izay ihany no ahafahan’ny firenena miala amin’ny fahasahiranana. Tsy tsara intsony raha izao no mbola hisy krizy politika”, hoy i Rina Randriamasinoro. Nanamafy noho izany ny TIM fa aleo miara-miatrika fifidianana, aleo hisy fitoniana mialohan’izay, aleo hadio ny fifidianana hanan’ny vahoaka fitokisana, ary izay tena lanim-bahoaka no tokony hivoaka eo. Manamafy ny fitakiana fahalalahana hanao fanentanana ara-politika noho izany ny TIM, ary nampahatsiahy fa sady voafaritry ny lalàna mifehy ny antoko politika izany no ao anatin’ny lalàm-pifidianana. Momba ny lisi-pifidianana moa, efa mihoatra ny 10 tapitrisa ny voasoratra raha ny antontan’isan’ny CENI nampitainy tamin’ny TIM, ary tokony hotohizana ny fanentanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap