airtel

Politique

21-sept-2023

Antoko UDR

Tapa-kevitra fa hanohana an-dRajaonarimampianina

Sample post image

Manamafy ny fandraisany anjara amin’ny raharaham-pirenena ny Antoko UDR (Union Des Républicains).

21-sept-2023

Tsy nijanona nikatsaka izay hahasoa ny firenena sy ny antoko ny Birao politka nasionalin’ny UDR hatramin’izay ka hatramizao na teo amin'ny lafiny sosialy izany, na teo amin'ny lafiny fifandraisana, sy fampandrosoana, fa indrindra teo amin'ny lafiny fampianarana, araka ny fanambarana notarihin’ny Birao politika nasionaly tarihin’Atoa Ramaharavo Michel Filoha mpanorina sy ny Mpandrindra eto Analamanga Atoa Rajaobelina Enrique. Nahitsy ny UDR nilaza fa latsaka an-davaka tanteraka ny Firenena ankehitriny : fahantrana lalina manerana ny nosy, tsy fandriampahalemana, fampandrosoana sarintsariny, fitsinjaram-pahefana tsy mandeha amin'ny lalana tena izy, fifandraisana amin'ny any ivelany simba tanteraka, miampy ny fahapotehan'ny fampianarana isan'ambaratongany,... Mila olona afaka hanarina izany ny Firenena, hoy ny UDR, ka ny Kandida laharana faha-10 dia Atoa Hery Rajaonarimampianina ihany amin’izy ireo no nambarany fa tena vahaolana mahomby, afaka hanarina an'i Madagasikara aminy fomba matotra ary efa naneho ny fahaizany. Nisintona ny olom-pirenena hanao jery todika amin'ny fo tsy miangatra sy hitodika amin-dRajaonarimampiana noho izany ny UDR. Teboka vitsivitsy mazava tsara no nambarany napetraka rehefa nanao dinika fiaraha-miasa amin'ireo kandida samihafa, izay efa navoakan’ny HCC ny 09 septambra teo ireo nahafeno fepetra. “Olona manana “éthique” na “culture d'excellence”, manana traikefa amin’ny fitantanana raharaham-pirenena, demokraty, mandala fiarahamonina, manaja ireo mpiara-dia aminy, manampahaizana ambony: izany hoe mahitsy fijery eo amin'ny tontolo fampandrosoana ny Firenena, fa indrindra indrindra olona tena tia tanindrazana.no isan’ny mason-tsivana ahafahan’izy ireo manohana kandida iray, raha ny nambarany. Rehefa vita ny ady hevitra, izay narahana fakan-kevitra tany amireo Birao politika rejionaly 24, ka nivoahan’ny fanapahan-kevitra momba izay kandida hotohanana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

daholo ny mpitondra teto hatramin’izay »

Card image cap
15-déc-2025

Mitondra sosokevitra hanatsaràna ny

Card image cap
15-déc-2025

Hanao fihaonambe voalohany

Card image cap
15-déc-2025

Raha nilaza ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny

Card image cap
15-déc-2025

Mila ezaka amin’ny fangaraharahana sy fanaporofoana ny fanovàna…

Card image cap
15-déc-2025

Nidina ifotony nanao fakan-kevitra mikasika

Card image cap