Soava Andriamarotafika. Safidin’ny olom-pirenena tsirairay iny, hoy izy, fa tsy azo terena amin’izany izy. Adidin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI sy ny tsara sitrapo ny mifanentana. Ilaintsika satria zontsika ny misoratra anarana. Misy antoko politika mitaona ny olona tsy hisoratra anarana. Indraindray ireo mampirisika tsy hisoratra anio dia rahampitso mampirisika hisoratra dia rahafakampitso tsy fantatra intsony. Misy antokom-pivavahana mitaona ny mpinony tsy hisoratra anarana fa hoe aza miraika amin’ny fanjakana eto an-tany fa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra. Nifanehitra tamin’ireny izahay tamin’ny nanao fitsidiham-paritra. Misy kosa ny mpitondra fivavahana mihitsy no resy lahatra dia izy mihitsy no mitaona ny olona anaty fiangonana misy azy hisoratra anarana saingy tsy vita moa ny hoe andeha hitety ireo antokom-pivavahana mitaona ny olona tsy hisoratra anarana manerana ny nosy ireo. Fanentanana ankapobeny no atao ary mahomby amin’ny ampahany iny fa tsy amin’ny lafiny rehetra. Isan’ny fanazavana entinay, ohatra, ny hoe ireny rakitra ataonareo ireny anie tsy azo raha tsy anaty fiarahamonina eto ambonin’ity tany ity ianareo e! Dia mba resy lahatra ry zareo, hoy hatrany izy. Nomarihiny moa fa antokom-pivavahana ivelan’ny FFKM kosa ireo.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,