airtel

Politique

29-nov-2024

Asa fa tsy rendrarendra

Mahafaly ny mponina ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa natolotr’i Tahina

Sample post image

Anisan’ny fotokevitra ijoroan’i Tahina Razafinjoelina ny hoe « ny olombelona aloha ».

29-nov-2024

Ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano no antony tetikasa lavadrano ka 32 no vita nanerana ny boriboritany 6 eto an-drenivohitra. Aina ny rano ary ilaina amin’ny fiainana andavanandro, rano fidiovana sy hanasana lamba ity natolotra ity, ary tena mamaha olana tokoa hoy ireo mponina. Tamin’ity herinandro ity izao dia anisan’ny notsidihan’ny kandida Tahina Razafinjoelina ny asa vita momba ny lavadrano teny Amboditsiry, Androndra, Ampamatanana ary Ambanidia. Nahafaly ireo olona ny asa vita indrindra ity resaka lavadrano ity satria mamaha olana ilay izy ary tena zava-dehibe ilay hoe notenenina dia notanterahina ny asa, tahaka izay hatrany moa ny an’ny kandida laharana faharoa ary mampiavaka azy amin’ny rehetra io. Mbola tsy ben’ny tanàna akory izy dia efa nanaporofo fa tia miasa ary mahavita asa. Nafana ny fandraisana ity kandida, mbola azo lazaina fa anatin’ny hatanorany nefa efa matotra eo amin’ny lafin’ny vina sy fomba fiasa ity. Ireo asa vita tamin’ny fotoana mialohan’ny fampielezankevitra moa no nojerena. Ankoatra ny lavadrano, dia anisany ny lalan-kely sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tena manala ny fahasahirananay izany, hoy ny mponina. Ny teny Tsiadana moa dia vita efa elaela ihany koa izay lavadrano izay. Nisaotra an’i Tahina Razafinjoelina ny mponina ary faly nifanatri-tava taminy. Efa fantatra ny olana dia tsy faly hitanisa olana isika fa mitondra vahaolana, hoy ity kandida ity. Mila miasa fa aleo tsy variana amin’ny rendrarendra. Ny 26-27 novambra moa izy dia efa teny Manjakaray, Amboditsiry, Ambohimirary, Tsarahonenana, Andraisoro,… ka nisy ny AMA, ary teo ihany koa ny fijerena zava-bita toy ny lavadrano, fametrahana jiro,... Nametraka fanontaniana tsotra i Tahina Razafinjoelina hoe inona no tianareo, amboarina ny jiro sa haka artista? Namaly ny vahoaka hoe amboarina ny jiro. Ny asa efa azo atao dien’izao dia efa hataontsika, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina, fa tsy hoe hiandry ho efa tonga eo amin’ny toerana vao hampanantena hanao izany. Izany, hoy izy, no atao hoe fanasoavana an’Antananarivo, raha efa mitsidika ireo zava-bitany miaraka amin’ireo ekipany sahady.
RTT sy J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap