tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Barson Rakotomanga “Mampihomehy foana ny didim-pitondrana avoakan’ilay minisitera”

Efa iarahantsika mahalala ny antony nanaovan’ny Randrana sendikaly hetsika maro fa dia saika niompana tamin’io olana ao amin’ny CNaPSio, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga.

23-nov-2022

Sample post image

Ny tale jeneraly, hoy izy, tamin’ny andron’i Raoul, nangalatra. Mbola voarohirohy amina resaka fanodinkodinam-bola koa avy eo ny nandimby azy. Ny vola nalefa tany amin’ny Air Austral, Air Madagascar lasa Madagascar Airlines, mbola teo koa ny hoe nalefa tany amin’ny SMGD an’ny CUA, nozarazaraina tamina fikambanana manao asa soa. Tsy azo ekena izany satria volan’ny mpiasa ary izay no nahatonga anay ho tonga hatreny amin’ny BIANCO. Tapitra ny 30 septambra teo moa ny fifidianana solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny CNaPs. Ireo sendika mahasolo tena ny mpiasa no afaka mandatsaka solontena ao. Manana delegen’ny mpiasa 10% eto Madagasikara. Talohan’io 30 septambra io nefa dia efa nanolo filankevim-pitantanana ry zareo. Ireo sendika na sehatra voakasika anefa no nanolo ilay olona, indrindra, nanoloana ireny resaka fanodinkodinam-bola ireny. Tokony hivoaka izao ny fisoloan-tenan’ny mpiasa ao saingy toa arirarira? Tonga dia nasiana soratra indray ao anatin’ilay didim-pitondrana hoe 3 taona ny fe-potoam-piasan’ireo olona tonga dia notendren-drizareo ireo. Mbola misy fahabangana koa anefa ireo mpikambana voatendry ireo. Ny sendika FISEMARE izao tsy mbola nanendry ny solontenany satria, hono, hoe mbola mila mandamina ny raharaha anatin-drizareo. Inona moa no idiran’ny fanjakana amin’ny raharaha anatin’ny sendika? Inona indray no kononkononina ao anatin’ny fitantanana io CNaPs io? Sa ve hoe esorina ny eo mba hidiranay indray hihinananay koa? Efa manana olana ara-pitantanana ny CNaPs ka aoka ho rafitra ara-dalana tsara no apetraka ao mba tsy hifanilika indray avy eo rehefa misy sakoroka. Tsy mbola nisy an’izany karama farany ambany manokana izany hatramin’izay teto Madagasikara fa izao misy. Io koa fa misy hoe mpikamban’ny filankevim-pitantanana tsy feno. Inona no asa mendrika ho hita amin’izao. Miisa 4 no fototr’izany asa mendrika izany dia ny fanajana lalana, fampiharana lalana na eto an-toerana io na iraisampirenena, famoronana asa, fiahiana ny sosialy. Tsy misy tanteraka eto izany nefa dia mijery fotsiny ny fanjakana foibe. Tsy mahafehy minisitera ve ny fanjakana foibe, hoy hatrany ny tenany, fa dia mampihomehy, araka ny fitenin’ny tanora foana nefa ny didim-pitondrana avoakan’ilay minisitera ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus