airtel

Politique

18-août-2025

Bodo Razafindrazaka

«Tsy misy afa-miala amin'ny andraikiny ny mpanohitra sy mpitondra»

Sample post image

Ekena fa nahavita zavatra kosa ve tsy ho faly sy hiedinedina,

18-août-2025

hoy ny mpanakanto sady kandidà ho solombavambahoaka farany teo, Bodo Razafindrazaka. Ekena koa, hoy izy, hanim-bao hita io ka nahoana no tsy mba maika Hanandrana? Ekena mihitsy, tezitra mafy izay tsy miombona hevitra fa raha vao vita ary ny kifalifaly dia andao atrehina sy imasoana ny mahasoa toy ny asa fitadiavana, fahasalamana, fianarana, fandriampahalemamana sy izay efa hainareo! Tsy atoro voanjo hadiana ianare . Ela be nefa vao masaka ny vary eny an-tsaha. Mila faharetana koa herezo fa ianareo izao no eo. Dada sy neny ny mpitondra sy ny mpanohitra raha oharina ao an-tokantrano. Ny hevitrareo tsy natao hitovy foana ary soa izany fa afantsiho aty aminay zanakareo ny masonareo, ny fonareo, ny herinareo dia fantatrareo izay filànay zanakareo. Ny mahasoa sy ny mahafinaritra samy ilainay fa anjaranareo no mandahatra dia mifampihainoa fa aza ilaozanareo miady! Aleveno ny ambom-po sy ny tendrim-po tsy mba namana fa manjary kamboty izahay. Tsy misy afa-miala amin'ny andraikiny ny mpanohitra sy mpitondra. Samy ilaina! Raha tady iny dia natsipiko an-tandroky ny omby fa teny iny ka atsipiko am-pon' ny mahalala, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap