airtel

Politique

30-mai-2024

Boriborintany faha-6

Nibata fandresena miezinezina ny lisitra Todisoa

Sample post image

Nandravarava ny lisitra notarihin’ny kandida Todisoa Andriamampandry laharana faha-6

30-mai-2024

narotsaky ny TIM sy ny Vovonana Firaisankina tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Nitarika tamin’ny isam-bato ambony dia ambony izy ireo tao anatin’izany. « Poa-droa e ! Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho Solombavambahoaka ka nahazoana fandresena miezinezina ary nandresy avokoa tamin’ny 31 fokontany rehetra izay misy na dia vonjy maika aza, ary mankasitraka ny mpiray tanindrazana rehetra zay nanefa ny adidy masina teto amin’ny boriborintany faha-6. Manome toky fa hiaro sy hanasoa ny vahoaka hatrany, ary hanompana ny fiainana rehetra sy fanomezam-pahasoavana ho an'ny vahoaka Malagasy. Mankasitraka ny mpifaninana tamin’ny tenanay ary averiko fa mpifaninana isika fa tsy mpifahavalo ary fifaninana masina no natao. Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra. », hoy i Depiote Todisoa omaly, naneho ny fihetseham-pony teo amin’ny pejin-tseraserany. Efa naman’ny eny Tsimbazaza hanohy ny asa maha solombavambahoaka, hanohy ireo asa sosialy izay fanaony ho fanampiana ny vahoakan’Ambohimanarina na dia tokony ho asan’ny mpanatanteraka aza, saingy tsy vitan’ny fitondrana. Tsy dia fahita firy izany mitarika amin’ny fokontany 31 izany, saingy io noporofoin’ny vahoaka io. Andrasana ny vokatra ofisialy, fa raha ny vonjimaika aloha, dia tanteraka ny fanambin’ny Lisitra Todisoa Andriamampandry sy ny vahoakan’ny Boriborintany faha-6 dia ny ho poa-droa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap