airtel

Politique

31-août-2023

BY-PASS

Ilana fahamailoana be ny fividianana tany

Sample post image

Mihazakazaka ny fanorenana trano vaovao eny amin’ny By-pass sy ny manodidina ao anatin’ny kaominina Alasora

31-août-2023

amin’izao fotoana izao noho izy manakaiky ny kaominina Antananarivo renivohitra. Betsaka noho izany ny olana ara-tany izay tena ilana fahamailoana tokoa mialohan’ny hividianana azy. Lohalaharana amin’izany raha araka ny fanadihadiana natao ny fijerena tsara ny antontan-taratasy rehetra momba ny tany toy ny certificat juridique, ny taratasy avy any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany ankoatra ny fanadihadiana hatao amin’ny Fokontany sy ny kaominina raha ilaina. Manana drafi-panajariana manokana mifehy azy mantsy ny eny amin’ny By pass ka misy ny tany azo hanorenana raha misy ihany koa ny tsy azo hanorenana. Ao amin’ny sampandraharahan’ny fanajariana sy ny fananantany no hakana izany izay hahafantarana mialohany ihany koa ny haben’ny trano sy ny haavony azo haoriana eo amin’ilay tany. Noho iny toerana iny tafiditra ao anatin’ny grand Tana no antony mahatonga izany. Mikasika ny vola aloha eo anivon’ny kaominina amin’izany fanorenan-trano izany dia fantatra fa ny mpanolon-tsaina kaominaly no manapaka izany ary mibaribary amin’ny solaitrabe hapetaka eo ivelan’ny kaominina avokoa ny vola aloha fa tsy misy ambadika hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Pati
Legende : Mahatratra 200 ka hatramin’ny 300 isan-taona ny fangatahana mba hanorina trano eto amin’ny kaominina Alasora amin’izao !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap