airtel

Politique

04-nov-2025

Camille Vital, ambasadaorontsika ao Maurice

Nampanantsoina eto

Sample post image

hanazava ny afera Ravatomanga

04-nov-2025

Niparitaka ny vaovao niainga avy atsy Maurice fa nametra-pialana ny ambasadaorontsika tao amin’io Nosy io, dia ny Jeneraly misotro ronono Camille Vital. Noho ny tsindry samihafa, ny raharaha Mamy Ravatomanga,… no nambaran’ny fampahalalam-baovao Maorisianina no antony. Niparitaka io resaka io nanomboka omaly atoandro. Nisy anefa ny fandisoana nivoaka ny tolakandro nilaza fa voaantson'ny fitondrana eto Madagasikara hifampiresaka mahakasika ny raharaha Mamy Ravatomanga i Albert Camille Vital fa tsy nametra-pialana, amin’ny maha masoivoho an’ny Madagasikara azy ao Maurice velively. Nanamafy i Camille Vital fa tsy hametra-pialana velively ny tenany , araky ny fampitam-baovao navoakan'ny gazety DéfiMédia.Info. Tsy mbola nisy tatitra ofisialy mikasika ny fampanantsoana sy fanadihadiana ity ambasadaoro napetraky ny Fanjakana Rajoelina ity. Raha hiverenana kosa, nisy fanadihadian’ny fampahalalam-baovao Maorisianina MBC azy ny marainan’ny 12 oktobra 2025 nahatongavan’ilay Jet Privé nitondra an’i Mamy Ravatomanga sy ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian. Tao anatin’izany no nilazany fa tsy nahalala sy tsy nampahalalana ny hisian’ny fiaramanidina. Nilaza ho tsy mahalala akory ny mpandeha tao anatiny, fa ny isany dia hoe 7, ary teny amin’ny tambajotran-tserasera no nahitany ny anarany. Tsy fantany ny naha tao ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy Mamy Ravatomanga. Raha tsy nampahafantarina dia tsy misy na inona na inona azony atao raha ny filazany tamin’izany, ka nanehoany fa mety tahaka ny olon-drehetra, tahaka ny mpizahatany,… ka ny manam-pahefana Maorisianina no tokony hametraham-panontaniana amin’ny tokony hataony. Mbola mafampana moa ny raharaha Mamy Ravatomanga, ka ny vinantony Andry Patrick Rabetokotany indray no nampanatsoaina nanaovan’ny FCC (Financial Crimes Commission) fanadihadiana omaly araka ny vaovao navoakan’ny express.mu. Andrasana ny tohiny fa ny fandehan-draharaha dia toa mizotra makany amin’ny mety ho fanagiazan’ny Maorisianina ny kaontim-bola sy fananana na harenan’i Mamy Ravatomanga. Asa manao ahoana ny toeran’i Madagasikara izay mety ho nakana sy nanangonana ny ampahany betsaka tamin’ny vola sy harena nentina sy nampidirina ary nodiovina tao Maurice na Firenen-kafa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap