airtel

Politique

27-mai-2025

CENI

« Be dia be ny teboka tokony hatsaraina amin’ny fifidianana…»

Sample post image

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

27-mai-2025

indrindra taorian’ny tolo-dalàna naroson’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Milaza ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana fa mitohy ny asan’ny CENI taorian’ny fahavitan’ireo fifidianana fa tsy mijanona hatreo araka ny eritreritry ny olom-pirenena sasany, ka anisan’izany ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, mijery sy mandray ny hevitry ny rehetra, na io mpanao politika, na mpanara-maso ny fifidianana, na mpiara-miombon’antoka,… Mandray sy mihaino ary manome lanja ny hevitry ny mpiantsehatra ny CENI, ka ao anatin’izay mihitsy dia efa manomana atrik’asa andraisan’ny mpiantsehatra ao anatin’ny CENI anjara, hanaovana tombana manasa-dàlana hafahahafahanay mahafantatra hoe : inona no ilàna anay, ahafahan’ny CENI mahazo vokatra, hoy ny Filoha lefitry ny CENI Atoa Andoniaina Andriamalazaray omaly. Ny vokatr’io atrik’asa io no entina hiantsoana ny mpisehatra sy mpiara-misehatra izay tsy voafaritry ny lalàna kanefa natao handaminana fiarahamonina satria tanjon’ny CENI ny hisian’ny fifidianana milamina sy tsy misy romoromo, raha ny nambaran’io olon’ny vaomieram-pifidianana io. Ny andininy faha-61 amin’ny lalàna 2015-020 mikasika io Vaomiera io rahateo ny hoe : adidin’ny CENI amin’ny alalan’ny Filohany no mandefa tolotra any amin’ny governemanta sy ny antenimiera mba hitondrana fanatsarana mikasika ny fitsipika hifampifehezana ny fifidianana. Nilaza moa ity olon’ny CENI ity, fa be dia be ny teboka tokony hatsaraina fa be dia be ihany koa no efa tsara ka tohizana. Nomarihiny fa tsy milaza mihitsy io andinin-dalàna io fa tsy misy afaka hanao lalàna na hitondra fanatsarana mikasika ny lalàna na tolo-dalàna io na volavolan-dalàna, tsy misakana an’izany, fa mieritreritra fotsiny hoe : inona no mahatsara zavatra dia izay mampilamina sy mahatsara ny Firenena no atao amin’ny alalan’ny fifidianana. Mbola betsaka ny adihevitra manodidina ny fifidianana eto na amin’ny rafitra na amin’ny fikarakarana sy fikirakirana ny vokatra. Tahaka izany ihany koa ny lalàna sy fitsipika samihafa, izay toa indraindray zary angady tsy mahatapaka ahitra manoloana ny tsy fanjariana na fandikan-dalàna ireo rafitra, ka mahatonga ny olom-pirenena hitsara sy hieritreritra fa misy fitanilana. Betsaka ny sary maneho mivantana na ankolaka tsy fitoviana herijika politika, amboletra, fandikan-dalàna, fanatosahana vola tsy toko tsy forohana izay vao nanaovan’ny Transparency International fanamarihana vao tapa-bolana lasa izay. Vitavita ho azy anefa ny kolikolim-pifidianana hatreto ! Firifiry ihany koa ireo fitakiana fanatsarana samihafa fa tena nisy fifampihainoana ve teto sa sanatria sarintsarina atrik’asa no betsaka ?
Toky R



 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap