airtel

Politique

11-avril-2024

Christine Razanamahasoa

“Afaka ny ziogako, tsy nanenenako ny nambarako, ary hotohizana aza!”

Sample post image

Afaka ny ziogako ankehitriny tamin’ny enta-mavesatra nitambesatra tamiko.

11-avril-2024

Tsy misy nanenenako ireny fanambarana rehetra nataoko ireny, ary ho tohizana aza izany mba ahafahana manafaka ity Firenena fadiranovana ity amin'ny fahantrana lalim-paka sy enti-miady amin'ny jadona ataony fitondrana.", hoy Rtoa Christine Razanamahasoa tao amin’ny RFI ny talata teo, nitondra setriny manoloana ny nanonganana azy. Notsikafoniny kosa anefa ny pitsopitsony nentina nanonganana azy. "Tohina tamin'ny hafainganam-pandehan'ny fitsarana izay tsy mahazatra sady mampiahiahy natao tamin'ny fanalana ahy tsy ho depiote ny tenako. Nomena 48 ora monja aho taorian'ny fampahafantarana ny fanalana ahy mba hanomanana ny fiarovan-tenako. Izany no mahatonga anay hino fa fitsarana misy mpibaiko ireny, ary ny tanjona dia ny hanesorana an’i Christine Razanamahasoa amin’ny maha solombavambahoaka azy ary amin'ny fomba rehetra!", hoy i Christine Razanamahasoa. “Tsy nomena fotoana akory aho niarovako tena. Tokony niaraka nojenerana ny andininy faha 72, faha 73 ary ny 74 tao amin’ny lalampanorenana tamin’ireny fitoriana natao ireny. « Tsy misy solombavambahoka azo enjehina amin’ny teny na fanehon-kevitra hataony mahakasika raharaha politika » hoy hatrany i Christine Razanamahasoa. Tsy nisalasala ity Filohana andrim-panjakana teo aloha ity nilaza fa efa fanaon’ny fitondrana ankehitriny ny manao an-tery. Araraotin’izy ireo ny fahefan’ny HCC tsy azo ivalozana mba handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra, hoy hatrany izy. Nanomboka ny 28 martsa no tsy depiote intsony izy araka ny didin’ny HCC, saingy tsy milavo lefona. Manana eritreritra ihany koa hanangana Antoko politika saingy miaraka amin’ireo olona na ireo vondrona mitovy tanjona sy ideolojia aminy hanoherana ny fitondrana. Nanamafy fa nahatsiaro afaka zioga lehibe ny tenany nisaraka tamin’ny Antoko nisy azy ary tsy nanenina amin’ireo fanapahan-kevitra noraisiny rehetra. Tsara ny manamarika, fa mbola kandida any Ambatofinandrahana izy, ka nisafidy ny tsy hirotsaka ny Vovonan’ny mpanohitra fa nisafidy ny hanohana azy, hany ka avy amin’ny Antoko TIM ny lisitra faharoa miaraka aminy.
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap