nisy ny hafatra somary mavesabetsatra nentin’ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena omaly niantefa amin’ny governemanta. “Mahaiza mitantana sy mitsinjara ary mitsinjo ny Vahoaka, hoy izy, izay nilaza fa vita ny adidin'ireo solombavambahoaka tamin'ny fankatoavana ireo volavolan-dalàna famatsiam-bola hitsinjovana ny mponina. Tena hita taratra ve ny fitsinjovana vahoaka? Anisan’ny noresahiny ny famatsiam-bola hiatrehana ny aorian'ny aretina coronavirus. "Nomena tso- drano ianareo ao amin'ny governemanta hitantana izany, koa mahaiza mitsinjara. Tsy zakan'ny Vahoaka ny ho fiakaran'ny vidim-piainana 9%,…”, hoy izy. Tsara ny manamarika fa notsipahina teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna momba ny tokony hanaovana tombana ny programam-panjakana, ny fanaovana fanadihadiana parlemantera mikasika ny fandaniana ny volan’ny coronavirus,… Raha Fanjakana tena mahavita azy sy mangarahara tsy tokony hanan-tahotra amin’izany, fa matoa tsy nekena ireo dia ao raha, ary miteny ho azy ny zava-misy. Fa momba ny olana ara-tsosialy mifandraika amin’ny resaka angovo sy herinaratra, "tsy maintsy tokony ho tadiavina ny vahaolana momba ny fahatapahan-jiro lava. Mavesatra ny fanampim-bola omena ny Jirama ao amin'ny tetibolam-panjakana. Raha misy ny tsy fahavitana izany dia tokony hametram-pialana ny mpitantana", hoy hatrany ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany omaly. Raha atao moa ny kajikajy dia 1,370 miliara isan’andro ny fitsinjaran’ilay 500 miliara Ar ho an’ny Jirama. Voalaza etsy ankilany fa matiatoka 60 miliara Ar isam-bolana ity orinasa ity. Eo ny efa varotra fatiantoka satria raha ny fanazavana efa nentin’ny mpitantana dia mividy herinaratra 1300Ar/kwh kanefa mivarotra 500Ar, fa manampy trotraka izany ny fitantanana tsy manjary, ny halatra, kolikoly avo lenta, kiantranoantrano,… Ny vahoaka etsy andaniny mifafa ny kihony, ny orinasa lasibatra kanefa katsahina hakarina 80-100% ny faktiora. Miresaka Jirama ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena saingy tsy miankina aminy irery ny olana fa miankina amin’ny Fanjakana iray manontolo anefa. Izay no nampanantena 400MW tamin’ny propagandy kanefa tsy vitany? Iza no tsy mahay mifampiraharaha amin’ny mpamatsy solika? Iza no tsy mahavaha ny olana ara-tsosialy? Izay no tsy mahafehy ny vidim-piainana? Sao mba ilay Fanjakana Rajoelina mihitsy no tokony hiala fa tsy mahavita azy ?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny