airtel

Politique

15-oct-2025

CONSTANT RAVELOSON

« Rafitra mahalala tsara ny tena

Sample post image

maika sy hanatsara fiainana no mila atao »

15-oct-2025

Rafitra sa olona, izany foana ny adihevitra sy hagegena teto fanoharana tsotra sy mety : miady amin’ny aloka na hoe ny trondro ho azo sa ny rano ho ritra ? », hoy Atoa Constant Raveloson izay sady mpanao politika no mpandinika ny raharaham-pirenena. Nanipika ny tokony tena hijerena lalina ny tenany hoe : aiza no rafitra stratejika : ny momba ny fifidianana, angovo, fitsinjaram-pahefana, fifandanjam-pahefana, fanabeazana, fahasalamana. « Aleo isika tsy hiresaka kiovaova rafitra maniditsidina dia avy eo lasa ny teo ihany no teo. Ao amin’ilay hoe fiodinana iny rafitra iny dia tena eo amin’ilay fifampitondrantsika samy Malagasy mihitsy no ovaina. Eritrereto izay rafitra vaovao fa dia tsy maintsy mipetraka mazava foana ny fototra, fokontany kaominina faritra firenena. Ka ahoana moa izany ilay fifampitondrana vaovao », hoy hatrany izy. Nomarihiy noho izany fa na inona na inona fanovana atao dia tsy maintsy fanovana miasa sy miodina tsara mampivoatra ny fiainana. Ny faharoa dia fikaonandoha. Tsy resaka dinika fakan-kevitra fa tena tompon-draharaha isika mila mikaondoha, miresaka,... raha ny nambarany. Fahatelo kosa dia ny hoe ahoana ny fomba hitondrana faobe ilay firenena amin’izao fotoanan’ny fiovana izao ? Ny resaka harena ankibon’ny tany ohatra dia nomarihiny ny hoe Rajoeliana tahaka ny efa nampanantena firenena vahiny iray hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany kanefa misy firenena vahiny iray hafa misisika amin’io ihany koa. Ka sao de sanatria ataon’ny olona sahan’ady eto isika ? Misy anie miasa ho an’ny piremby mihitsy ilay filoha e. Fa rehefa mizotra any amin’ilay hoe manome vahana ny fiavotan’ilay firenena izay ny zavatra ataontsika dia miova ho azy manaraka izay ny fisainan’ny olona, hoy hatrany Atoa Constant Raveloson.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap