fa tena tsy taira lay Malagasy. Tsy mba manohitra ny tsy rariny, toa manaiky mijaly sy ambakaina, tena hoe mahari-pery. Aoka hazava tsara anefa ny resaka hoy i Constant Raveloson raha nanontaniana ny heviny izy . Tena maro tokoa ny hetsika, fanehoan-kevitra natao teto, saingy tsy nisy mihitsy ny teny ierana nataon’iroe mpitarika iznay tamin’ny vahoaka. Raha miresaka ohatra hoe tsy misy tany tan-dalàna eto, dia mila hazavaina amin’ilay vahoaka aloha hoe inona ilay tany tan-dalàna, ary inona no ifampierantsika fa hatao mba hametrahana izany. Tsy olona efa hita fa mpandika lalàna isaky ny mihetsika no ho resenao lahatra hanaja lalàna, hoy izy. Tsy antenaina hametraka tany tan-dalàna izany olona izany. Misy ampahany amintsika malagasy , ireo nahita fianarana, mpitarika politika no manao tobatombana eo dia miandry fahagagana fotsiny hoy i Constant Raveloson ka milaza hoe tsy maintsy hitroatra ihany ny farany ireo vahoaka ireo.Nampatsiahininy fa efa tamin’ny taona 2023 no hoe ho avy fipoahana sosialy , tonga ihany ity ny 2025. Ireo vahoaka sahirana no andrasana hoe hitroatra, dia ny mpanao politika mpijapy train faly ery manehohevitra miseho amin’ny fahitalavitra hoy izy , fa tsy misy na inona na inona vita ihany anefa.Etsy ankilan’izay dia nambarany fa misy mihitsy ireo manompa vahoaka, sy maneso ka tsy menatra miteny amin’ny fandaharana anaty haino aman-jery hoe : eny iafio eo ihany fa tena mahazaka isika. Tsy mihetsika, tsy mijoro ny vahoaka satria tsy mazava aminy ny lalan-kombana sy ny hoe inona ary no atao, inona ny vahaolana, miandry ilay teny ierana amin’izay hitarika izy,hoy i Constant Raveloson. Efa mandefa hafatra ihany anefa ny vahoaka ka izany no maha maro be ireo kandida mahaleotena lany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna. Manomboka leo ireo antoko politika mahazatra ny vahoaka ka mitady zavatra hafa, mitady olona hafa, hoy izy. Hatreto aloha hoy i Constant Raveloson dia filazalazana ny zava-misy no tena betsaka fa tsy misy mitarikany vahoaka hoe izao sy izao no atao ; ataontsika tahaka izao ny resaka fanabeazana, izao no vahaolana aroso momba ny fananan-tany, izao ny fanitsiana heverina amin’ny fampananan’asa…Ifampiresahana dia mazava tsara amin’izany ny lalan-kombana. Izay ilay teny ierana ahafahana manetsika ny hambom-pon’io vahoaka mangiana io,hoy i Constant Raveloson.
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny