airtel

Politique

24-déc-2024

Dany Rakotoson

«Hoavy ny fotoana hifamadika ny

Sample post image

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

24-déc-2024

Maromaro ihany ny hetsika nisy teto amin’ny firenena na tsy tanaty fotoam-pifidianana aza, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, raha tsy hitanisa afa-tsy ny hoe hetsik’ireo mpianatry ny anjerimanontolo tsy nahazo vatsim-pianarana, ny fandorana kodiarana noho ny tsy fisian’ny herinaratra sy rano, ny hetsiky ny mpiasam-panjakàna samihafa. Misongadina foana nefa matetika, hoy izy, ny hetsika anaty vanim-potoam-pifidianana satria io no mitondra fanantenana vaovao ho an’ny mpifidy hoe tsy nety ny nataon’ny fitondràm-panjakàna ka tonga ity ny fifidianana hifidianana ilay olona mety hitondra ny vahaolana. Lojika raha mafimafy kokoa ny fitakiana rehefa tongan y vanim-potoanan’ny fifidianana. Manana ny fomba filazany daholo moa ny mpanaratsy sy mpanohitra indraindray hoe diovy aloha ny tokontanim-pifidianana! Ny anaty fitondràna sy ny mpiaradia aminy indray miteny hoe efa io ny CENI, mety io. Mifamadibadika eo foana ireo. Tamin’ny menamena teo dia mba niteny koa ny ilany hoe diovy aloha. Ny minisiteran’ny atitany no nitantana ny fifidianana taloha. Samy nitondra ny biletàny avy. Ankehitriny efa misy ny biletà tokana. Misy ny rafitra mahaleotena mikarakara azy. Ny lasi-pifidianana na «mode élective» ao anatiny dia maha tafiditra ny firehana rehetra na mpanohitra na mpanohina na iza na iza. Lasa toy ny zaza mihanta, noho izany, matetika ny fitakiana samihafa hoe diovy. Tsy midika akory izany hoe madio ny CENI fa eo koa ny maha demokratika ny firenena demokratika, izay tokony afaka mitory tsara mihitsy manoloana ny fisiana tsy fahatomombanana samihafa. Matetika moa ny fitoriana tsy tafaraka amina fanamarinana satria be dia be ireo kandidà no tsy manana mpanara-maso akory amina biraom-pifidianana sasany. Indraindray aza moa tsy voalohan-drizareo iny dia miteraka resabe mihitsy. Ny mpanohitra miezaka manaratsy na hoe manao «diabolisation» izao dia ny eo amin’ny fitondràna miantehitra amin’ny fahefany fa hoavy ny fotoana hifamadika ny toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra dia ho ohatran’ny fanambaràna ataon’ny mpanohitra ankehitriny ihany no ho ataon’ny mpitondra amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juin-2025

tena mbola tsy hitany ny malagasy!»

Card image cap
17-juin-2025

Vao manomboka ianao dia efa fantatray, vao mandray fitenenana ianao

Card image cap
16-juin-2025

Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,

Card image cap
16-juin-2025

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

Card image cap