airtel

Politique

24-janv-2024

Dany Rakotoson

“Lasa vesatra ho an’ny fitondrana ny vahoaka”

Sample post image

Misy foana ny fanantenana rehefa mbola misy ny aina,

24-janv-2024

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Adalana, hoy ny fitenenana hoe mitovy ny ataonao dia miheritreritra ianao fa ahita vokatra vaovao, hoy izy. Raha ny fitondram-panjakana malagasy dia ny teo ihany no teo na ny filoham-pirenena io na ny praiminisitra. Tsy mbola nisy fiovana teto amin’ny firenena. Efa ny niainana tanatin’ny 5 taona ihany no iainana izao. Tsy mbola nisy fiantraikany mihitsy ny fampanantenana napetraky ny fitondram-panjakana hoe vaovao. Raha misy ny delestazy sy fako dia satria tsy nisy politika, tsy nisy stratejia tao anatin’izay 5 taona izay. Nametraka paika na “axe stratégique” miisa 3 ankehitriny ny fitondram-panjakana dia hoe ny lafiny mahaolona, indostria sy seram-pambolena na “agri-business”, fitondrana tsara tantana. Ny resaka hoe velirano moa mbola eo fa ireny izany ilay lazaina hoe tanjona manokana na “objectif spécifique”. Raha hiresaka mahaolona isika dia tafiditra anatin’izany daholo ny resaka rano, fako, zazakely matory an-dalana rehetra sy ny maro hafa. Tokony efa misy politika apetraky ny fitondram-panjakana momba izany. Misy moa ilay hoe fianakaviana miarina izay nolazaina fa hisitrahana fianakaviana miisa 1 tapitrisa isan-taona eo. Ho tafavoakany ve izany satria toa vonjitavanandro foana matetika no hita? Raha tiana ny hampandroso dia tsy maintsy miainga amin’ny mahaolona ary ny olona no mandray anjara. Tafapetraka tanaty savorovoro sy tsy fifampatokisana io fitondrana amin’izao io. Iaraha-mahalala izany ary midika fa vesatra daholo ny olona rehetra amin’izao fotoana izao. Izy no manana fitiavana hampandroso fa ny olona tsy mahatoky azy noho ilay voalaza hoe fifidianana natao tery vay manta sy ny tariny. Lasa vesatra ho an’ny fitondrana ny vahoaka fa tsy manampy azy. Tsy toy ny tamin’ny 2003, 2004, 2005 hoe nandray anjara ny vahoaka dia niakatra be ny toekarena. Tokony ataon’ny fitondrana noho izany izay itiavan’ny vahoaka azy fa rehefa miverina foana ny delestazy sy fampanantenana tsy tanteraka dia sarotra be ny hahatongavana amin’izany. Lalana mankany amin’ny vahaolana ny fifidianana ary averiko foana hoe nanao fahadisoana ny firaisankinan’ireo kandida raha nanao fitakiana tanaty fotoam-pifidianana. Tsy miverina intsony ny fifidianana raha tsy 2028 indray. Dien’izao izany dia mila miomana indray izy ireo hiatrika ny kaominaly sy fifidianana depiote, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap