airtel

Politique

20-mai-2025

Dany Rakotoson

«Mampiseho ny fitondràna fa tsy tongasoa

Sample post image

eto ny mpandraharaha any ivelany»

20-mai-2025

Mampiseho ny fitondràna fa tsy tongasoa eto ny mpandraharaha any ivelany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, raha ny fihetsik’izy ireo no jerena. Io izao no sary avoakan’i Madagasikara hoe misy orinasa matanjaka andeha hitrandraka harena eto Madagasikara dia misy an’io adiady io, hoy izy. Tsy vitan’ny fanjakàna izany ny nametraka amin’ny laoniny ny haneken’ny vahoaka rehetra ilay fampiasam-bola ho atao. Vola an-tapitrisany Dolara no ho lanian’ny mpandraharaha ao. Misy vola be dia be sy orinasa vonon-kiasa eto amintsika ao ivelany ao. Ny fatokisana ny fanjakàna no tsy mipetraka mihitsy. Tsy hay intsony na tena miady na mody miady ireo hita mifanjinja resaka eto hatreto ireo fa ny mila tadidiana aloha dia nandoha vola ireo orinasa ireo na dia ny nanaovana ny fikarohana tany am-boalohany fotsiny aza. Hanomboka ny fitrandrahana izany izao izy vao mihetsika ny fitondràm-panjakàna. Tena manimba ny sarin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany. Tsy misy azo hanarenana an’izay satria tonga amin’ny teny vazaha hoe «Le mal est fait!» na hoe efa hita ilay faharatsiana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Lohavehitra 7, ho voaresaka ireo raharaha mafana ?

Card image cap
21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap