Hitady fiaraha-miasa matoa mivoaka ivelan’ny nosy izany, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Dany Rakotoson. Tsy misy antenaina loatra nefa, hoy izy, rehefa ianao no mankany satria mangataka ianao no dikan’izay. Raha izy avy any ivelany no tonga eto dia mitady fiaraha-miasa izy izay. Ambany foana ny fahafaha-mitaky na «capacité de négociation» rehefa ianao no mivoaka any ivelany. Efa noresahana hatramin’izay io hoe mila mamaritra izay tadiavintsika aloha isika. Tsy lany laniana ny vola ao ivelany ao fa ny tanjontsika malagasy eto mihitsy no tsy mazava. Mila mamaritra isika hoe malagasy tahaka ny ahoana no tiantsika ho eto afaka 2 taona na 5 taona na 10, 30, 50 taona? Rehefa mazava tsara izay na ireo any ivelany aza hiazakazaka eto. Anaty fikaonandoham-pirenena no hanazavàna an’izay. Na ny FFKM na ny antoko politika na ny mpanohitra na ny fiarahamonim-pirenena dia tokony ho fakàn-kevitra daholo fa ny fitondràm-panjakàna no mamaritra hoe malagasy toy izao izany no tiantsika ahatongavana afaka 2 na 5 na 50 taona. Tsy izay olona mora vidiana amin’ny koveta na sio intsony no ho avela hifidy rehefa tonga ny fifidianana fa mba olona afaka misaina ny hoavin’ity firenena ity amin’izay. Anjaran’ny fitondràm-panjakàna no mamaritra an’izay. Rehefa hitantsika ny lalana ahafahan’ity firenena ity hanana ny maha izy azy dia manaraka an’izay ny fampandrosoana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana