airtel

Politique

10-janv-2024

Dany Rakotoson

“Tsy ampy olona ve no mangataka CV?”

Sample post image

Ny atao hoe minisitra dia tadidio fa toy ny filoham-pirenena kely amina rantsana na

10-janv-2024

secteur” iray, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Izy, hoy izy, no mamaritra ny politika mifanaraka amin’ny antoko misy azy ao anatiny ao. Tokony ho anatina antoko koa na ny filoham-pirenena aza. Ny antoko TGV izao tokony hanana olona ho minisitra ahafahany mamaly ny ideolojiany. Antoko malalaka na hoe “parti libéral” ry zareo raha ny voalaza dia tokony hifantoka amin’ny toekarena izany. Mahagaga nefa fa mangataka CV zareo. Tsy ampy olona ve no mangataka CV? Tsy nahafa-po ny vokatra tao anatin’ny 5 taona dia nilaza ny filoham-pirenena hoe andeha hisokatra aho. Hisokatra any amin’ny sosialy demokraty ve? Hisokatra amin’ny hery farany havia sa farany havanana? Sa kaominista? Na tiantsika na tsia nefa izany dia ho lasa isatra foana amin’ny resaka fampandrosoana. Tsy maintsy mampiray ireo antoko ireo tsinona ilay filoham-pirenena hahatongavany amin’ilay vina hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso! Hitantsika fa tsy nahomby ny vokatra teo. Mbola firenena farany mahantra i Madagasikara. Mbola tsy manana 2 Dolara isan’andro ny 80%n’ny malagasy. Na ny karama farany ambany voasoratra anaty lalàna eto amin’ny firenena na SMIG aza mbola tsy mihoatran’izay 2 Dolara isan’andro izay akory. Tsy maintsy manana ekipa vonon-kampandroso firenena marina izany ilay fitondrana! Niresaka ady amin’ny kolikoly sy tsy fanekena tsy matimanota ny filoham-pirenena nefa tsy misy hafa-tsy ny vokatra foana no natao ho jerena. Iaraha-mahalala eto amintsika fa betsaka ny “opportuniste” na mpanararaotra lasa mpanao varo-maizina na “trafiquant”. Vao nametra-pialana, ohatra, ny filoham-pirenena dia be dia be ireny hitantsika ireny ny hoe kamiao nanototra tany. Tokony jerena ny politikam-panjakana hahafahana misoroka izany amin’ny manaraka. Maninona moa no misy vary simba? Na tsinona ilay izy tsy avoakan’ny fadintseranana na misy olona mpamoaka vary ao amin’ny fitondram-panjakana ao hampikatso ny vary miditra dia simba ilay vary avy eo. Tokony odorana sy toy izany iny vary iny dia avy ireo mpitondra fanjakana kely ao an-toerana hoe andao aloha hamidy sitran’ny ahay! Taloha be anefa dia efa tokony nisy ny sazy hoe ahoana no nahatonga iny vary iny ho simba? Rehefa tonga tao ilay vary dia tokony nisy vahaolana haingana namoahana azy fa tsy navela ho potika ilay vary nefa ilay firenena efa mahantra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap