Raha iresaka fotsiny ny tarehimarika nomen’ny CENI isika, hoy izy, dia lasa mipetraka ny ahiahy. Na dika mitovina kara-panondro aza eto mila ilaharana sy voamarina na “légalisé” nefa dika mitovy na “photocopie”. Lasa mampiahiahy daholo ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra. Ny fitondrana efa nanomboka ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoanan’ny hatramin’ny taona 2018. Hitantsika ny zava-misy fa tsy tena namaly loatra ny filaminan-tsaina, fiadanana, fiharian-karen’ny firenena. Fotodrafitrasa lasa werawera fotsiny tsy mamaly ny tena filàna no hita. Raha ny fampanantenana sy vina napetrak’izao fitondrana izao dia tokony ho efa firenena faran’izay mandroso i Madagasikara ankehitriny. Anjarantsika no mijery izay kandida tena hamaly ny filàntsika. Ny resaka tetezamita fandaniam-potoana. Be dia be ny fihoaram-pefin’ny fitondrana ankehitriny izay naha very hasina ny antsoina hoe fitondram-panjakana. Nanomboka tamin’ny resaka “bonbon sucette” sy ny tariny io. Mitantana firenena izy. Anatiny ny fikarakarana fifidianana. Nametraka LFR na tetibola mifandraika amin’izany izy. Nanao ny asany ny CENI. Miova ny fomba fijerin’ny sehatra iraisampirenena vao tsy atao io fifidianana io. Fantatr’izao fitondrana izao fa be dia be ny famatsiana ara-bola avy any amin’ny firenen-kafa tsy ho azony intsony vao tsy ataony io fifidianana io. Izao aza efa hitantsika fa nisy firenena eoropeanina niala an’i Madagasikara mihitsy. Tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy manao fifidianana ity fitondrana ity raha tsy hoe hanova rafitra hanao ny antsoina hoe “monarchie parlementaire” na fitondrana mpanjaka angaha, araka ireny toetrany niaraha-nahita tamin’ny resaka zom-pirenena na “nationalité” ireny. Very famatsiam-bola be dia be vao tsy manao fifidianana eo, hoy hatrany ity mpandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,