miely eny amin’ny tambazotra-tserasera sy ireo gazety ny tenako. Marihiko etoana fa ny governemanta irery ihany no afaka mamaritra izany. Manentana ireo orinasa an-gazety sy ireo tomponandraikitra eny amin’ny tambazotra-tserasera ihany koa mba hanamarina ny vaovao rehetra (mari-pototra) zaraina amin’ny vahoaka. », hoy ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Naina Andriantsitohaina ny andron’ny omaly. Anton’io ny fisian’ny resaka niely nampiasana ny anarany izay niely, nilaza fa kasaina hatao ny 29 may 2024 ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna sy solombavambahoaka, ny 28 martsa hatramin’ny 06 aprily no fe-potoana hametrahana ny taratasy firotsahan-kofidiana, raha ny kajikajy mandeha. Ny 11 febroary izao kosa no mety hamoahana ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy, raha ny voalazan’io resaka niely, saingy nodisoin’ny Minisitra tompon’andraikitra. Mbola baraingo hatrany izany aloha hatreto ny tetiandro mazava hirosoana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izay tapitra ny 10 janoary teo ny fe-potoana iasana, ka noboriborian’ny HCC ny resaka fa manohy ny asany ireo, ary soloina fotsiny izay tsy eo noho ny antony maro. Mbola naverina hodinihina eny amin’ny Parlemanta rahateo ny lalàna 2014-020 mikasika ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny fifidianana depiote kosa mbola baraingo na dia efa nanipy resaka amin’ny hirosoana amin’izany aza ny Filoham-pirenena ary efa nilaza ny Sekretera nasionalin’ny TGV fa toerana 120 no kasain’izy ireo. Ny CENI kosa toa mbola any anaty fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana no resaka, raha toa ka mitaky hatrany ny hanadiovana ny fifidianana kosa ny ankolafin-kerin’ny mpanohitra ka anisan’izany ny fametrahana rafitra mahaleo tena, fanadiovana ny lisi-pifidianana,… Sao mba misy minia manely hoentina mitsapa ny hahalin’ny rano ihany koa ireny resaka daty niparitaka ireny ? Mbola baraingo ny zava-drehetra hatreto ka asa handeha indray ve lalao am-pitaka ?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny