airtel

Politique

14-mars-2022

Politique

Depiote Brunelle « Tsy hiresaka politika aho, Ikongo aloha no maika izao »

Sample post image

Tsy manana eritreretina ankoatr’izay mahazo an’Ikongo aho aloha hatreto, hoy ny depiote voafidy tamin’ny lokon’ny fitondrana mijoro ankehitriny tany amin’ity distrika ity, Brunelle Razafitsiandraofa,

14-mars-2022

 raha nanontaniana ny heviny tamin’ny alalan’ny antso an-tariby mikasika ny fipetraky ny fanohanana ny fitondram-panjakana sy ny filoham-pirenena manoloana izao zava-misy ankehitriny izao. Sahirana, hoy izy, ny vahoaka aty. Ny lalana tsy misokatra. Any akaikikaikin’ny 29 martsa any mihitsy aho angamba vao mety hanana fikasana hiakatra any Antananarivo. Mbola fikasana koa aza izany fa ho hita eo ny fivoaran’ny zava-misy, hoy hatrany ny tenany. Hita ho mandalo fahasahiranana tanteraka, araka izany, ankehitriny ny fitondram-panjakana raha tsy hijery fotsiny ireo tranga maha menatra na “scandale” miseho lany vitan’ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny governemanta sy ny fifampitsikerana mivaivay eo amin’ireo samy ao anaty fitondrana ihany. Nilaza moa ny faran’ny herinandro teo ny avy eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga fa tsy hiditra ao anaty governemanta manaraka eo. Tranga izay azo ilazana ihany koa fa manomboka miala amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ireo mpanohana azy ary efa saika mifantoka any amin’ny taona 2023 ankehitriny ny mason’ny mpanao politika maro.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap