airtel

Politique

09-août-2023

Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Sahy izay mpitsara hamela io filoha io hilatsaka eo!”

Sample post image

Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny praiminisitra ary ny governemanta moa izao, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako i Madagasikara na TIM,

09-août-2023

ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, no mpamily ilay fiara an-dalamby aingam-pandeha lazainy hitondrany antsika. Ny olana, hoy izy, dia mila hivarina an-kady foana ity izy. Tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony ny piesy rehetra, raha atao kisarisary ilay izy, fa mila hipoaka ny maotera ary hipitika ny kodiarana. Mila ifantohana ny fifidianana ary saintsainina tsara ny fanapahan-kevitra raisina mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana mba tsy hisian’ny korontana. Miankina amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny io raha manam-pahendrena na manam-panahy sy tena miheritreritra ny tombontsoam-pirenena ary ny hoe tsy hisian’ny korontana. Arangarangan’ny mpitandro filaminana sy ny Praiminisitra hoe tsy ekena mihitsy ny fisian’ny korontana eto amin’ity firenena ity. Manana adidy hiteny amin’ilay praiminisitra sy ny lehibeny ny mpitandro filaminana hoe sao mba avy amin’ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana no mety hisian’ny korontana? Ataovy madio ny lalao! Ataovy izay hampadio ny lisitry ny mpifidy! Tokony ho tafiditra ao daholo ny ankamaroan’ireo ampy taona! Ampy taona atao ao fa tsy hanao fikafika eo! Tokony hisy solontenan’ny kandida ao amin’ny CENI mba hifampatoky isika. Toy izany koa ny HCC. Mbola ny ekipan-drizareo no ao izao. Fanampin’izany koa ny filoham-pokontany izay iaraha-mahita sy mahalala fa notendren’izao fitondram-panjakana izao ny 99%. Manana ny FFKM isika tokony hitarika satria efa tsy vitan’ilay filoham-pirenena intsony izany. Mbola 2 tapitrisa Dolara sa Euro izao no ao amin’ny Basket fund raha toa ka 12 tapitrisa eo no ilaina? Tsy adala ny mpiara-miombon’antoka ka hanome an’izany anareo mora foana satria ho laninareo fotsiny. Tsy arotsany io satria ho alefanareo any amin’ny tsy tokony ho alehany tahaka izay nitranga tamin’ny COVID 19 indray. Efa paingorin’ny “Cour des comptes” na sampam-pitsarana momba ny vola hatramin’izao ianareo hoe aiza ny porofon’ireto fandanianareo ireto? Nihenahena nanao be marenina fotsiny ianareo! In-droa taty ny vondrona eoropeanina. Aiza daholo ny fepetra napetrany? Isany ny hoe manao ahoana ny fahafahana mamory vahoaka, ny demokrasia, ny fahafahana miteny? Mitanila be izao ny fanapahan-kevitra nefa tokony hitovy ny rehetra anatrehan’ny lalàna. Inona no sarotra tsy hirosoana amina fifampiresahana kely fotsiny fa tsy andrangarangana foana hoe tandremo ny korontana? Fantatra ianareo fa tsy ho lany intsony satria tsy mbola niaina toy izao ny malagasy tao anatin’ny 63 taona. Miahiahy ny amin’ny mety ho fisiana krizy politika izao ny kandida satria nanao fahadisoana ny filoham-pirenena raha nangataka zom-pirenena frantsay fony izy nitondra tetezamita. Sahy izay mpitsara hamela ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, mbola hilatsaka eo, hoy hatrany ity depiote ity, ary sahy koa izy raha mbola hirotsaka manoloana izao zava-bitany sy vahoaka tofoka aminy izao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,

Card image cap
25-avril-2025

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

Card image cap
25-avril-2025

Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady

Card image cap
25-avril-2025

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

Card image cap
25-avril-2025

Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina

Card image cap
24-avril-2025

Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny

Card image cap