tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Tsy vao sambany nampandry adrisa izao fitondrana izao!”

Indray mandeha niakatra TVM tao anaty 4 taona ve dia hoe tsy jadona no misy eto?, hoy ny fanontanian’ny filohan’ny parlemantera TIM,

07-nov-2022

Sample post image

ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, namaly ny tsikeran’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana taorian’ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavim-pirenena farany teo. Tsy midika mihitsy izany hoe afaka ianareo, hoy izy, fa manao jadona foana ianareo. Tsara ho fantatr’ireto mpiaradia aminareo ireto fa voalohany tao anaty 4 taona, herintaona mialohan’ny hahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena no nantsoin’ny TVM ny tena dia namaly ny antso. Mety efa nisy ihany indray mandeha talohan’io saingy noho ny hoe satria tao anaty fivorian’ny antenimiera nefa hoe eo no ho eo, ora vitsy aoriana eo hono no hanaovana ny fandraisam-peon’ilay fandaharana dia nanda ny tena fa nampanantena hanao kosa amin’ny manaraka. Raha resaka TVM sy RNM, raha nisy tsy nety ve tamin’ny fitondran’ireo teo aloha dia tsy izay ve no tokony ahitsy ary nilokalokanareo? Mbola avo 10 henin’izany anefa no ataonareo izao. Fanampin’izany, ohatra, ny nanesorana ireo haino aman-jery tsy miaradia aminareo any amin’ny tambazotra satelita. Nesorinareo tsotra izao. Tsy endrika jadona ve izany? Miresaka fandaharana sy fahafaha-miditra ao amin’ny TVM sy RNM isika. Tsy ny TIM irery no mpanohitra eto amin’ity firenena ity. Be dia be ny olon-tsotra maniry hiakatra sy hoe mba ho ampitain’ireo ny hetsika ataony. France 2 sy ny vondrona haino aman-jery miaraka aminy izao any ivelany any an’ny fanjakana fa mahazo miteny ao ny hery rehetra. Isaorana ny mpanao gazety nanasa anay. Ny ankoatra izay koa moa hisaorana na dia tsy tokony ho izany aza satria fananam-bahoaka io. Ankoatran’izay dia manao antsoavo ny antoko politika Tiako I Madagasikara hoe mijoroa ianareo avara-pianarana amin’ny sehatra misy anareo tsirairay avy! Tsy lavina hoe misy manam-pahaizana miara-miasa amin’ny fitondrana fa feno ny vavan’ireo dia tsy miteny. Tsy sambany nampanantena adrisa izao fitondrana izao fa tena tototr’izany izao ilay firenena ary raha niteny ny avara-pianarana tsy sahy nanao izany izy. Raha mba nisy na dia 10 sy 15% aza no notanterahany tamin’ireo fampanantenany dia mba nangiana ihany ny tena fa tena tsy misy mihitsy ilay zavatra natomboka. Aiza ireo ozinina nampanantenaina 1 isaky ny distrika? Aiza ireo karazana fotodrafitrasa toy ny teleferika? Ny tanamasoandro? Ny trano 50.000 isa fa tsy 10 ery ananona ery? Aiza ilay 400MW mety ho tonga 1200 amin’ny resaka famatsiana herinaratra? Ny delestazy mbola tsy mety foana hatramin’izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus