airtel

Politique

28-mars-2023

Politique

Depiote Mamangy Norbert Notebahan’i Jaovato ho mpamadika

Sample post image

Nanaitra ny mpanara-baovao tany SAVA ny teny mahery sady nahitsy nataon'ilay mpandraharaha, depioten’Antalaha teo aloha, sady mpitarika ny “SOS Vanille”,

28-mars-2023

Laisoa Jean Pierre na Jaovato, tamin’ny depiote voafidy tao Sambava, Mamangy Norbert na i Jack. Teo imason'ny iraky ny fanjakana nahitana mpikambana miisa 3 ao amin’ny governemanta sy ny tomponandraikitra ara-panjakana any SAVA ary ireo mpisehatra ny lavanila, nifampidinika ny hamaha ny olana taorian’ny fitakiana nataon’ny “SOS Vanille”, no nanebahan’i Jaovato an'i Mamangy Norbert ho mpamadika. Nampangainy mihitsy aza io depioten'i Sambava io fa ambadiky ny fanakorontanana any SAVA any ka mampisavoritaka amin’izao fotoana izao. Tsy nitsitsy fitenenana i Jaovato momba ity olom-boafidy ao Sambava ity. Vahaolana no katsahina, hoy ny mpitarika ny “SOS Vanille”, fa tsy olona hamboly korontana. Na teo aza izany, afaka namaha ny olana ary nitady marimaritra iraisana, ny solotenam-panjakana foibe sy ny mpisehatra lavanila, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap