airtel

Politique

26-mars-2024

Depiote solombavam-panjakana

Ny milaza ny marary ny vahoaka no lazaina fa mpanakorontana

Sample post image

Tsy vao izao ny PAN no manao fihetsika miendrika fanakorontanana sy fanonganam-panjakana.

26-mars-2024

Tsy afa-miala fa anisan’ny nitarika ny fitsipaham-pitokisana, ka fanakorontanana sy fanonganam-panjakana. Talohan’ny nirosoana tamin’ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena dia mbola nanamafy ny fihetsika fanakorontanana, ary niarahana nahita ny kabary nataony fa teny tsy araka ny nieritreretana azy amin’ny maha reny sy maha filohan’ny andrim-panjakana azy”, hoy ireo depiote volomboasary tamin’ny alalan’i Milavonjy Philobert, depioten’Ambovombe. Notondroina ho naniratsira olona mivantana na ankolaka raha nilaza fa nisy fitaka ny 2009 ary sarintsarim-pahahana no misy ankehitriny, ka nilaza fa manohitra izany ireto depiote IRD. Nambara fa tsy mahomby ny fitantanan’ny PAN, ka mangataka ny hisian’ny IGE na “Inspection générale de l’Etat” hanao fitsirihana ihany koa, izay midika fa atao izay fomba rehetra hamelezana ny PAN, rehefa sahy nanao ireo vaky bantsilana samihafa zavatra tsy mety eto. Taiza izany no tsy natao hatrizay? Hatramin’ny fitsipaham-pitokisana voalazan’ny lalàmpanorenana no lazaina fa fanakorontanana sy fanonganam-panjakana ka fahavalom-pirenena avokoa izany ireo solombavambahoaka 105 nanasonia fa ireo minia mikipy eo anatrehan’ny fahantram-bahoaka no tena tia tanindrazana? Tondroina ho mpanakorontana rehefa sahy mamaky bantsilana fa betsaka ny zavatra tsy manjary eto. Fanakorotanana ve ny filazany fa tsy mahatoky ny mpampiasa vola noho ny tsy fisian’ny fitoniana eo amin’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”; ny nilazany fa betsaka ny hirifiry iainan’ny vahoaka toy ny delestazy, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana,… Solombavambahoaka marina no tiana hapetraka eto sa solombavam-panjakana hiaro sy hanakona ny tsy fanjariana ka hiara-hihinana ao ambadiky ny fahantran’ny Malagasy? Depiote hanara-maso sy ho arofenitra ho an’ny mpanatanteraka mba hamita ny asa sy hamaha ny olam-bahoaka no ilaina sa depiote hisolelaka sy hiaro Fanjakana amin’ny efa tsy fahombiazany? Anjaran’ny vahoaka no mijery sy mitadidy hoe: tena miaro ny tombotsoany sy mahita ny fahoriany ve ireo mpiaro be fahatany ny Fitondrana sa tsy mahalala afatsy ny miaro ny mpitondra satria ao ny fihinanany? Mbola mendrika hofidiana ho solombavambahoaka tokoa ve?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap