miezaka mitondra vahaolana araka sy tratrany sy tandrify azy ny depioten’I Madagasikara voafidy teo anivon’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra Todisoa Andriamampandry. Manohy ny asa sosialy fanaony ity depiote ity, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana ny olona hanangana fihariana amin’ny fanofanana ny olona hanamboatra savony. Teny amin’ny Fokontany Ankazomanga indray no nanohizan’ity depiote ity sy ny mpiara-miasa aminy, ka maro ireo afaka nisitraka fizarana fahaiza-manao izany, izay mety hanampy amin’ny fahasahiranana sy azo avadika ho asa fivelomana mihitsy. Naneho fisaorana sy fankasitrahana eo anatrehan’ny finiavana sy fitiavana asetrin’ity olom-boafidy ity kosa ireo vahoaka. Ankoatra ny asa amin’ny maha mpanao lalàna sy solontenan’ny vahoaka eo anivon’ny Antenimiera, maro ireo fanampiana mivantana sy ankolaka entin’ity depiote ity toy ny fampianarana teny anglisy ho an’ny tanora sy ny maro hafa.
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,