ary nanara-maso ny fotodrafitrasa natao ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Efa ho vita ny nangatahan'ny mponina teto Ambodihady izay nampanantenaina azy ireo fa hatao, raha ny fanamarihana. Miangavy ny mba hikojakojaina ny fotodrafitrasa rehetra izay natao kosa ity olom-boafidy ity, izay izy tenany mihitsy no miditra an-tsehatra miara-mitakosona amin’ny rehetra amin’ny fanamboarana. Maro ny asa vita fa mbola maro ihany koa no hiarahan-tsika manantanteraka ary tsy ho diso anjara ny fokontany rehetra, hoy hatrany depiote Todisoa Andriampandry, izay nanamarika “tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”. Maneho fankasitrahana azy hatrany kosa ireo mponina satria ny fokontany 31 tsy misy tsy mahazo tombotsoa, raha ny fanamarihana. “Rehefa manao dia tena manao fa tsy potipotiny, tsy sasatra mihintsy fa midina eny ifotony. Tsy mpanao làlana fa mpanao lalàna fa ankasitrahana foana ny fidirana an-tsehatra hanasoa vahoaka”, hoy ny olona. Tsy resaka làlana ihany moa no ahafahantarana ity depiote ity, fa ny fanofanana olona hanao asa fihariana toy ny fanamboaran-tsavony, ny fanofanana ny tanora amin’ny teny vahiny, ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny