Nisy moa ny fitsidihana nataon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny tenany teny amin’ny Hopitaly HJRA ny faran’ny herinandro teo, nampahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo niharan-doza vokatry ny fifanosehana teo Mahamasina. Nambarany fa ireny no misy dia noho ny tandrevaka sy ny olana ara-pandaminana izay tantanin’ny Fanjakana. Olana tamin’ny fikarakarana sy fandrindrana, tsy mahay misoroka kanefa efa im-piry nanao zavatra, efa nisy faty olona foana tao amin’io toerana io, dia tsy tsapa ve hoe: inona no lesoka tamin’ireny olona naratra sy faty olona ireny dia izao vao mainka niharatsy noho izany? hoy izy. Tsy nitsitsy fitenenana noho izany ity depiote ity nilaza fa tena tsy mahay maka lesona ny Fanjakana, afa-baraka eo anatrehan’izao tontolo izao noho ny tsy fahatomombanan’ny Lalaon’ny Nosy sy ny zavatra tahaka ireny, ka nilazany fa afa-baraka ilay Fanjakana, fa afa-baraka ihany koa ilay firenena. Nitondrany fanamarihana sy kiana mivaivay ihany koa ny fihetsiky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. “Voina no misy, voin-kava mahatratra ireny, dia ilay fihetsik’ilay Filoham-pirenena mbola mahavita mandihy sy mitsinjaka, ohatran’ny tsy miraharaha akory hoe: misy mpiray tanindrazana amiko anie ato maty, marary mafy,… kanefa sahalan’ny faly amin’ny fahoriana mianjady ny vahoaka. Amiko efa tsy fisainana Malagasy intsony izany! Ianao Filoham-pirenena, dia tsy tonga ve ianao mitsidika any amin’ny Hopitaly, mitsidika ireo marary sy mijery ireo maty, fa ny nataonao dia nitsinjaka sy nandihy nefa nisy faty olona tao. Misy tompon’andraikitra amin’ny mpitondra mbola manao esoeson-teny ihany”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. “Ny zavatra tahaka ireny dia tena fahotana mahafaty, zavatra tsy tokony hisy, ka amiko rehefa tsy zakanareo intsony ilay Fanjakana, ilay fitondrana, ilay fitarihana, ilay fandrindrana, dia aleo miala”, hoy hatrany ity solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny TIM ity.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny