airtel

Politique

21-août-2023

Politique

Désiré Ranaivoson “Aza tazanim-potsiny ity firenena an-dalam-paharavana ity!”

Sample post image

Ny atao hoe didy jadona, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson,

21-août-2023

namarana ny kaongresin’ity antoko ity tetsy amin’ny Astauria Antanimena ny sabotsy teo dia tsy ireny fanakanana ataon’ny EMMOREG ireny tamin’ny andron’ny Ntaolon-drazantsika fa ny tsy fisian’ny teny ierana. Baikon’olon-tokana sy tenin’olona tokana, hoy izy, no atao hoe jadona. Ny antsoina hoe fanjakana teny ierana kosa dia iaraha-mihevitra ny raharaha. Tsy marimaritra iraisana ka hoe atambatambatra ao ny mampetipety ny rehetra no atao hoe teny ierana. Ilay hevitra iarahan’ny rehetra mamolavola ary eken’ny rehetra io no mety sy arahana ka izay miala amin’io dia tsy ekentsika iaraka amintsika. Izany no nahatonga ny hoe tain’omby mivadika aza tsy misy maka. Raha misy olona iray mialangalana amin’ny fanaovana tranon’olona iarahan’ny rehetra dia ny olona rehetra no miara-mandrava ny trano ahoriny amin’ny fotoana hanorenany izany. Mila averina ny soatoavina toy izany ary ny antoko Marina dia mivoy ny hoe mila fifampiresahana, fifampidinihana firaisankina. Tsy misy an’izany no mahatonga ny firenena ho toy izao no hiafarany. Tsy mpandrava fiarahamonina isika fa mpanangana fiarahamonina. Mifamatotra ny mpitondra sy entina no dikan’izany. Aza tazanim-potsiny ity firenena an-dalam-paharavana ity fa mitsangana ry olo-marina! Tamin’izany asa tana-maro no nanaovana an’i Betsimitatatra fa izao tsy mahavita toa an’io intsony satria isika efa mizarazara. Manana ny antsoina hoe CNAPMAD na “Centre national de production de matériel didactique” isika na foibem-pirenena hamokarana fitaovana enti-mampianatra sy mianatra. Any an-dafy anefa isika no manafatra boky ho an’ny zaza malagasy. Tsy vitantsika ve ny mampiasa ny fahaizan’ny malagasy hamokatra fitaovana ianaran’ny malagasy? Tsy maintsy ovaina izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap