airtel

Politique

24-févr-2022

Politique

Diaspora homena zo hifidy Natao ho an’ny any Eoropa ihany angaha?

Sample post image

Namoaka fampahafantarana ho an’ireo mpila ravinahitra na Diaspora Malagasy ao France, Espagne, Saint Siège,, Israël, Monaco,

24-févr-2022

 ary Portugal ny Masoivohon’i Madagasikara any France tarihin’Atoa Rija Rajohnson. Anton’io ny fandaniana ny LPND (Lettre d Politique Nationale pour l’Engagement de la Diaspora) tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny febroary 2021, mifandraika amin’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mba hahafahan’ireo mpila ravinahitra any ivelany hanana ny zo hifidy, araka ny toky nomen-dRajoelina nandritra ny diany tany France ny aogositra 2021. Manoloana io, nambara fa misy ny fanadihadiana sy fanisana ireo teratany Malagasy any ivelany izay tarihin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Ahafahana manana ireo antontan-kevitra sy antontan’isa azo antoka sy antontam-baovao tena mitombona ary ny mombamomba ireo Diaspora,… hamaritana ireo fari-piadidiana ara-pifidianana mandritra ny fikarakarana fifidianana manaraka eto Madagasikaraka. Nentanina hameno ireo pitsopitsony momba ny fanisana azy ireo noho izany ireo diáspora Malagasy, ka amin’ny alalan’ny rohy an-tranonkala http://diplomatie.gov.mg/db-diaspora/index.php mialohan’ny 31 martsa 2022. Nentanina ireo tsy voasoratra anarana sy tsy manana “Carte consulaire, fa ilaina amin’ny dingana ahafaha-mandray anjara amin’ny fifidianana izany, azo jerena amin’ny tranonkala diplomatie.gov.mg. Natokana ho an’ny any Eoropa ihany na ireo firenena voatonona etsy ambony ihany ve? Ahoana izany ny momba ireo Malagasy maro mielim-pantrana manerana izao tontolo izao? Toa misy ihany ny petatoko satria tsy ao Frantsa sy ireo firenena vitsivitsy notanisaina teo ireo ihany no misy Malagasy mila ravinahitra. Manendry masoivoho aza moa 3 taona mahery azo isaina amin’ny rantsan-tànana no voatendry, ka lojika raha adino ireo any amin’ny firenena maro. Toerana sy firenena stratejika maro no tsy misy masoivohontsika, fa vao avy nanangona “CV”. Fanjakana mitaredretra fiasa!
Toky R
Légende : Nandritra ny fampanantenana tany France ny aogositra 2021

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap