airtel

Politique

04-mars-2024

Diplaomasia kitaitaitra

Hametraka ambasadaoro any Accra -Ghana indray hono !

Sample post image

Tahaka ny mahazatra, nanambara ny Fanjakana fa mihamafy orina ny

04-mars-2024

fifandraisan'i Madagasikara sy Torkia. Teo an-kilan'ny fihaonambe FDA 2024 dia nisy ny fihaonana teo amin'ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Filoha tiorka Recep Tayyip ERDOGAN. Notanterahina nandritra izany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy fametrahana vaomiera iombonana ara-toe-karena eo amin’i Madagasikara sy Torkia. Noresahan'ny Filoha roa tonta ihany koa ny lalam-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra hafa toy ny fotodrafitrasa, ny fizahantany, ny fambolena sy fiompiana, ny fiarovam-pirenena ary ny fanamboarana ny tanàna vaovao ao Imerintsiatosika, hoy ny tatitra Ara-diplaomasia, voalaza fa hapetraka tsy ho ela ny Ambasadaoro Malagasy ao Ankara sy ny TIKA (Agence turque de coopération et de développement) eto Antananarivo. Hisy ihany koa ny kaomisionina ara-toekarena iraisana, mikendry ny hanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Turquie, arahin’ny fanasoniavana ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra ataon’ireo Minisitry ny raharaham-bahiny roa tonta. Voalaza fa hisy ihany koa ireo andiana mpandraharaha tiorka hiara-hisalahy amin’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa tanàna vaovao eny Imeritsiatosika,…

Tsara ny mampahatsiahy fa ny oktobra 2022, nandritra ny dian’ny Filoha Rajoelina tany Casablanca Maroc, no efa nisy ihany koa ny fanaovana serasera tahaka izao, hapetraka tsy ho ela ny masooivoho Malagasy any an-toerana. Mandrak’ity ny androany tsy nety voatendry ka sao ho serasera no betsaka tahaka ireny ihany koa itony fiaraha-miasa amin’ny Turquie itony ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap