natolotry ny Fitondrana Rajoelina tamin’ny fifidianana izay ho Lehiben’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina (CUA) notanterahana tany Kenya ny faran’ny herinandro teo. Na ireo mpikamban’ny SADC aza zara raha nisy nanohana antsika kanefa nisy ny fanambarana nataon’ny Sekretera mpanatanterak’ity Vondrona ity ny hanohanana ny kandidan’i Madagasikara izay hany kandida tokana avy amin’ireo mpikambana ao anatin’io rafitra io noho ny fialan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Maoriasianina teo aloha Anil Gayan. Raha miisa 16 ny mpikambana ao anatin’ny SADC dia Firenena 10 ihany no nifidy antsika tamin’ny voalohany, nihena am-pitoerana satria 5 sisa tany amin’ny « Round 3 » izay nampihintsana an’i Richard Randriamandranto, ary 2 sisa tany amin’ny « Round 4 ». Misy lanjany sy dikany goavana ary fambara ireny amin’ny lafiny diplaomasia. Nikofokofoka mafy tamin’ny fampielezan-kevitra ho an’ity kandida natolony ity ny Fanjakana Rajoelina tamin’ireo fihaonana sy dia samihafa tany Afrika, toy ny tany amin’ny Africa Energy Summit tany Tazanie, ny dinika niresahana ny ady any RDC tany Zimbabwe izay nivoahan’ilay hoe : hanohana ara-pitsaboana i Madagasikara,… saingy tsy arakarak’izay ny vokatra. I Andry Rajoelina no ho Filohan’ny SADC atsy ho atsy, i Madagasikara no handray ny Fivoriana an-tampon’ny SADC amin’ity taona ity, saingy ireo Firenena Mpikambana aza toa tsy manome lanjany firy ny mpitondra antsika raha raisina tamin’io fifidianana io. Na ny toerana hametrahan’ny mpikamban’ny SADC sy ny Afrikanina manontolo ny hitantanan’i Andry Rajoelina an’io rafitra io aza izany mampametra-panontaniana ihany hoe : sanatria ho anaram-boninahitra fotsiny fa tsy dia ho asian’ny olona lanjany ? Nanaovana serasera nanaka-danitra ny hoe : fahazoan’i Andry Rajoelina ny amboara maha mpitarika mendrika indrindra aty Afrika ho an’ny taona 2024 nokarakarain’ny Africa Leadership Magazine. Navoakatra hatramin’ny salan’isa fa nandresy 65,69%. Ny lojikan’izany raha ny tokony ho izy dia mitarika zavatra miiba sy faharesen-dahatra ho an’ny Afrikanina amin’ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fifidianana kaontinantaly tahaka itony. Izany « leader » sy mpitarika mendrika indrindra aty Afrika izany dia tokony hahasintona sy haharesy lahatra ny Afrikanina hifanome tànana sy hanohana azy, saingy tsy nitondra na inona na inona tamin’ilay fifidianana Filohan’ny Vaomieran’ny UA, saingy ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Endrika maneho ihany koa marefo sy tsy maharesy lahatra ny olona ny diplamaosia Malagasy, ary mampibaribary fa mahery an-tanàna ny mpitondra voloamboasary fa ny fanasokajiana nataon’ny Afrikanina nandritra ny tetezamita 2009-2014 hoe : « sans qualité » na tsy misy kalitao toa mbola mitoetra, izay raha hiverenana dia tao anaty Fivoriamben’ny ONU no nivoahan’io. Mijery sy maharaka ny zava-misy eto Madagasikara ihany koa ny vahiny, fa tsy mihinana am-bolony manoloana ny serasera manaka-danitry ny Fanjakana volomboasary. Ny Malagasy aza betsaka no tsy resy lahatra ! Asa raha mba mandray lesona amin’ireny ny Fitondrana ?
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,