airtel

Politique

08-avril-2024

Distrikan'i Morombe

Mahatsiaro ho voahilikilika ireo tena nanohana an-dRajoelina

Sample post image

Lasa toy ny tantara mitohy ny fitarainan'ireo olona any ifotony na ny "base"

08-avril-2024

TGV noho ny fanilikilihina ireo ambara fa tena nitolona sy nampandany ny filoham-pirenena tamin'ny fifidianana farany teo. Itrangana olana indray ny ao amin'ny distrikan'i Morombe . Nijoro i Rakotomalala Biry Golbert, filohan'ny fikambanama Fomela sy Ramamonjisoa Herizo, Ben'ny tanànan'Ambahikily no sady filohan'ny fikambanan'ny ben'ny tanàna ao Morombe. Izahay mahalala ny zava-misy aty ifotony, hoy izy mirahalahy, ka mitatitra ny alahelon'ireo ben'ny tanàna satria olona hafa tsy tokony hahazo fankatoavana indray no nomena izany ka ho kandida solombavambahoaka. Noho izany dia nanapa-kevitra ny ho kandida amin'ny lisitra mahaleotena izy ireo hitondra tokoa ny tena hetahetam-bahoaka ary manao antso avo amin'ny foibe fa olona nanaratsy ny Filoha ve no atao kandida. Endrika iray hisehoan'ny fanilikilihina ataon'ny antoko eo amin'ny fitondrana ity mitranga any Morombe ity, manaporofo indray fa resaka ambony latabatra tsy mahalala izay zava-misy marina any ifotony no hanapahan-kevitra. Toa manamarina ihany koa fa an'olom-bitsy ny fanapahan-kevitra ary manjaka ny kiantrano an-trano.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap