airtel

Politique

18-juin-2025

Dr Faramalala Ratsaratoetra

«Lalana mankany amin’ny fampandrosoana ny fampihavanana»

Sample post image

Mankalaza ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara isika amin’ity taona ity,

18-juin-2025

hoy ny mpahaitantara, Dr Faramalala Ratsaratoetra. Azo an-taratasy izany fahaleovantena izany ny taona 1960, hoy izy. Sarintsariny ihany nefa satria mbola eo foana ny «accord de coopération» na fifamatorana tamin’ny frantsay. Ny faribola Franc ihany koa no nampiasaintsika. Mbola teo am-pelantanan’ny vahiny ny toekarena, indrindra, ireo tranombarotra vaventy tahaka ny Compagnie marseillaise sy ny Compagnie lyonnaise. Mbola tsy nahaleotena ara-toekarena isika no dikan’izany fa mbola teo ambany vahohon’ny vahiny izay toekarena izay. Raha ny rafi-pampianarana ihany koa, izay nahatonga ny tolona 1972, dia nifampiankina tamin’ny frantsay isika. Nahatonga korontana izay satria nisy ny sivana. Teraka ny filazàna hoe «sekoly miangatra». Niteraka tsy fitoviana teo amin’ny lafiny ara-piarahamonina izay zavatra izay satria nanjary nisy ny hoe ato ny zanaky ny manan-katao, ny zanaky ny frantsay, na malagasy aza, dia ato ny zanaky ny zanaka malagasy dia lasa nisy saranga izany ilay fampianarana. Mbola am-pelantanan’ireo vahiny hatramin’izao 2025 izao ny toekarentsika, ny seha-pihariana. Ny ankabeazan’ny seha-pihariana rehetra mihitsy no mbola ambany vahohon’ny vahiny. Sarotra nefa ny tsy hiteny hoe misy ihany ny ezaka amin’ny fananganana asa ataon’ireo mpandraharaha malagasy. Mahavelombolo ankehitriny ny mahita ireo vehivavy malagasy manomboka misehatra amin’ny fandraharahana ihany koa. Tsy vitan’izay fa mandray anjara amin’ny fitantanana ny firenena ihany koa. Misy tsirim-panantenana ao anatin’izany. Reny ny vehivavy. Izy no mahafantatra ny olantsika ka mendri-piderana noho izany raha miha maro ny fahasahian’ny vehivavy. Mahavelombolo izany ary mila tosika izy ireo. Efa miha maro izao ny vehivavy ben’ny tanàna. Na dia mbola vitsy aza ny solombavambahoaka vehivavy sy ny any an-tanatohatry ny rafi-panjakàna rehetra any dia mila tosika sy ampitomboana izany. Mpisehatra anaty fampihavanam-pirenena ny tena ka heverina hoe vahaolana azo aroso ny hoe ireo soatoavina mampalaza antsika sy mampisongadina ny fiizintsika aloha no mila hajaintsika raha te hampandroso ity firenena ity. Anisany ny Fihavanana sy fampihavanana. Mampiavaka antsika io ary nigagan’ireo vahiny izay nifanerasera tamiko tao anatin’izay ny hoe isan’ny sainam-pirenena faharoan’ny malagasy io Fihavanana io. Tokony asandratra ambony io satria mamerina indray ny soatoavin’ny firaisankina, fifanampiana, fifampitsimbinana, raha tsy iresaka afa-tsy ny tolo-tanana sy valintanana isika. Tsarovy fa fahavalon’ny fampandrosoana koa ny fisaraham-bazana amin’ny lafiny finoana, politika, indrindra, fihaviana. Lasa ny soatoavina vahiny no indraindraina sy lolohavina an-tampon’ny loha eto ka lalana mankany amin’ny fampandrosoana ny fampihavanana, noho izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap