tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Dr Jules Randriamaholisoa “Tsy ho mora io taona ho avy io”

Tsy afaka mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena sy maneran-tany amin’izao fotsiny izahay mpikambana ao amin’ny firahalahian’ireo CST sy loholona teo aloha na ACS, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, ny Dr Jules Randriamaholisoa.

09-nov-2022

Sample post image

Manome sosonkevitra ny fitondram-panjakana izahay, hoy izy, mba hahafahany miomana amin’izay mety hitranga amin’ny hoavy. Efa hitantsika sahady io ny fahantrana. Ny faty olona manerana an’I Madagasikara noho ny hanohanana. Antony hanoloranay hevitra izany hoe tokony hapetraka eto ny “état d’urgence économique et sociale” na hahamehana ara-toekarena sy sosialy. Sosokevitra ho fidiram-bola amin’izany, ohatra, ny famarotana ireo andramena ireo. Miliara dolara no vidin’ireo. Maninona no avela ho lo fotsiny? Zavatra tokony hanasoavana vahoaka, hamonjena ny kere sy matin’ny hanohanana any Ikongo sy manerana an’I Madagasikara. Tokony ho jeren’ny fanjakana akaiky koa ireo tantsaha amin’ny resaka fambolena. Tokony alefa ohatran’ny vary tsinjo sy tosika fameno koa ny hoe zezika tsinjo sy tosika masomboly. Jerena ny tany lemaka be dia be azo volena eto ary isaina. Jerena ny fomba ahafahana mitrandraka azy dia ny fanjakana no manajary azy. Eo ny resaka fandriampahalemana, ny tontolo iainana. Tsy ho mora io taona hoavy io. Eo ny ady any Okrainina, ny ady eo amin’ny koreanina tatsimo sy avaratra izay mety hisy fifandonana, ny an’I Chine sy Taiwan. Ireo raha vao mitranga eo ka tsy iomanantsika dieny izao dia isika no ho maty voalohany eto. Nandefa taratasy tany amin’ny CITES tany Geneve izahay tamin’ny taon-dasa mba hangataka alalana amin-drizareo hahafahan’ny fitondram-panjakana mivarotra ireo andramena ireo. Tsy mbola nisy valiny ary naverinay indray izany ny volana aogositra teo. Nahazo ny kopian’ireo taratasy ireo daholo ny fitondram-panjakana ka tokony hamafisin’ny fitondram-panjakana izay fitakiana nataon’ny ACS izay ho fanavotana ireo andramena ireo. Nambaranay any mihitsy fa “Crime contre l’humanite” na heloka amin’ny mahaolona ny tsy famelan’ny CITES hivarotra an’ireo satria miliara dolara ny vidiny ary hahafahana mamonjy ireo tratry ny kere, ireo matin’ny hanohanana any Ikongo, Atsimo atsinanana ary hahafahana manao famokarana faran’izay haingana ireo. Mbola hitohy io fitakianay io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus