mifampiresaka aloha, mifampidinika, diovina ny tokontany ahafahana misoroka ny krizy, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Mbola tsy tanteraka izany hatreto, hoy izy. Nanolon-kevitra ny amin’ny hanaovana ilay GENIE izahay na izay hahafahana mametraka governemanta sy hanomana fifidianana ahafahantsika manana kandida mitovy herijika hiatrika izany, indrindra, hisorohana hosoka. Tsy tanteraka iny hatreto nefa mbola mitombina. Miroso amin’ny hanaovana fifidianana foana ny fanjakana. Miroso ny CENI. Na inona lazaina, raha atao bontolo io fifidianana io dia tsy maintsy hisy krizy eto. Na aloha, na mandritra io, indrindra aoriana. Mbola tazominay ny hevitray hoe tokony hifampidinika aloha satria tsy maintsy fifampiresahana no fiafaran’ny krizy. Miantso ny hery politika rehetra hifampiraharaha fa tsy lany olomanga i Madagasikara. Rehefa tsy mipetraka tsara ny lalàm-pifidianana dia lasa afaka manao izay danin’ny kibony ny fanjakana ary lasa ampiasainy hahazoany izay kandida tohanany ny fahefana eo am-pelantanany izay mifanohitra amin’ny lalan-tsaina tokony hitondrana ny lalàm-pifidianana izay satria ny fifidianana dia fotoana hamerenana am-pelantanan’ny vahoaka ny fahefana ananany. Tsy tokony fitahana ny vahoaka fa avela ho vinam-piarahamonina tokoa, tsy misy teritery na sivana na familiviliana ny safidy. Hivadika ho fanjakan’i Baroa ve isika? Efa mazava ny ambaran’ny andininy faha 42 ao amin’ny sata mifehy zom-pirenena fa tsy tokony hilatsaka izay voakasika. Ny mahasamihafa ny tamin’ny 2018, afaka milaza ny HCC hoe nafeniny ilay izy dia hadisoany samirery izany. Izao efa mivoaka io. Ren-tany, ren-danitra fa frantsay. Anjaran’ny hery politika rehetra no mandinika hoe hanaiky sa tsia. Teboka kely anaty fikarakarana fifidianana iny fa ny fahalalako azy, na ny vola tena hikarakarana fifidianana aza tsy tena mbola misy. Mbola manentana ny CENI hoe “omeo vola!”, “omeo vola!”. Ny ankamaroan’ireo mpanome vola anefa ireny nihaona tamin’ny kandida miisa 11 ireny. Tsy maintsy miafara amin’ny fifampiresahana io ka handrasana hisy korontana na sanatria maty ve vao hifampiresaka? Mbola tsy fantatra hatreto ny kandida ho tohanan’ny MFM. Izahay moa izao mbola mandamina ny fitantanana vonjimaika ny antoko noho ny fahalasanan’ny filoha, Olivier Rakotovazaha. Tokony hifampiresaka mialohan’ny fifidianana ny mpisehatra politika rehetra satria samy te haka fitondrana. Ny fifidianana no fomba ara-dalàna hakana izany. Anatin’ny tombontsoan’ny mpanao politika rehetra io satria tsy mendrika korontana intsony izao vahoaka malagasy efa latsaka an-katerena izao, hoy hatrany ity mpikatroka MFM ity.
J. Mirija
Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.
Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,
Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery
Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.
Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana
Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024