mpizahantany eto Madagasikara ny vakoka, hoy ny tekinisianina momba ny fizahantany, Durlin Retogniane. Ny maha firenena ny firenena iray, hoy izy, dia ny fananany sy ny fitazonany izay kolontsaina izay. Betsaka ny mila tandremana anatin’izay kolontsaina izay. Tafiditra anatin’izay ilay vakoka satria ny mahasarika ireo mpizahantany dia ilay «authenticité» na «originalité», izany hoe ny namantarana hatrany am-piandohana ny vakoka amina firenena iray. Hitantsika izany any Egypta, izay misy ireo Piramide. Toy izany koa ny any Athène, Grèce, misy ireny fotodrafitrasa efa ela, tsy mbola nisy fanamboarana satria ireny no heverin’ilay firenena fa fitazonana ny kolontsaina mba hahafahana misarika an’ireo mpizahantany mankany amina firenena iray. Isika eto Madagasikara dia isan’ny nametraka vina amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpizahantany hitsidika an’i Madagasikara ka amin’ny alalan’izay atao hoe «tourisme culturel» na fizahantany miompana amin’ny resaka kolontsaina izay no hahazoana mampahafantatra tsara ireo vakoka misy eto Madagasikara, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny faritra rehetra. Ny zava-misy nefa dia toa nasiana fanamboarana ireny vakoka ireny? Tao anatin’izany ve nisy ny fakàn-kevitra ireo mpandalina ny tantara sy ny resaka vakoka eto Madagasikara? Raha eny dia arahaba soa, arahaba tsara! Mety nisy koa nefa ny sakana nataon’izy ireo saingy tsy nohenoin’ny mpanatanteraka. Ataon’ny fitondràna ankehitriny ahoana izany izao no hamerenana izay «authenticité» izay mba tsy hanimba ny fizahantany no sady tsy handisoana ny tantaram-pirenena? Fanorenana na «réfondation» izao no filamatra. Mba tsy hiverenan’ny fahadisoan’ny teo aloha mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra toy itony dia azo atao tsara ny miverina an-doharano na «retour à la source». Didim-panjakàna no nanovàna ireny vakoka ireny dia izay koa no azo hamerenana azy amin’ny laoniny mba hiverenana amin’ny tantara tena izy. Mijoroa ianareo mpahaitantàra sy vakoka manerana an’i Madagasikara fa aza ampidirana resaka politika ny kolontsaina! Potika ny firenena rehefa ampidirana politika ny kolontsaina ka lasa misy fiantraikany amin’izay fizahantany izay, hany ka tantara diso no ho lasa fantatr’ireo mpizahantany momba ity firenentsika ity, hoy hatrany ity tekinisianina sady mpisehatra anaty tontolon’ny fizahantany ity. Isan’ireo vakoka voakitika nanomboka ny taona 2010 no ho nankaty nalaza indrindra ireo teto Antananarivo, toy ny totohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina ary ny «Rovan’Antananarivo», izay tsy vitan’ny hoe nampidirana kolontsaina Grika tsy misy ifandraisany amin’ny tantaram-pirenena malagasy akory dia ny «Colisée» izany fa mbola novain’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, fotsiny izao hoe «Rovan’i Madagasikara» ihany koa no anarany, raha tsiahivina.
J. Mirija