airtel

Politique

13-août-2025

Elia Rabevahiny

« Tsy mampihemotra sazy herintaona, mitohy ny tolona »

Sample post image

Sazy mihantona herintaona ! Io no didim-pitsarana ho an’i

13-août-2025

Elia Rabevahiny sy ireo namany 5 hafa, izay nosamborina tany Benetse Toliara II ny 29 jolay 2025 teo. Izy ireo izay manohitra ny tetikasa Base Toliara. Nosamborina rehefa tonga tao Benetse na voalaza aza fa fifampiresahana tamin’ireo manam-pahefana ifotony mba hifandinihana ny hamoahana ireo olona miery ao anaty ala noho ny fanenjehana no antony. Namatsy vola ny mpianatry ny oniversite, namatsy ny mpiasan’ny Jirama, nanohintohina ny filaminana anatiny moa ny vesatra nandetehezana azy ireo, izay toa somary hafahafa ihany. Vita ny fiatrehana ny Fitsarana ! Isaorana ireo namana rehetra izay nanohana sy nankahery, ary ankasitrahana ny fitsarana namoaka iny didy herintaona, hoy izy ireo. « Tsy hijanona eo fa hanao fampiakarana satria zonay ny mivezivezy, maneho hevitra tahaka ireo tsy mitovy hevitra. Tsy nietritreritra na iray minitra aza, mipetraka amin’ny maha tompon’andriakitra satria mpitarika politika, zanaky ny faritra Atsimo Andrefana, zanaky ny Kaominina Ankilimaliniky ny tenako, ka ataoko ahoana no hijery ny loza hanjo ny Fireneko. Heveriko fa heloka na tsy eo anatrehan’ny lalàna aza fa manoloana ny fiarahamonina no tsy hijoro manoloana ny loza mandindona ny tany nihaviako », hoy i Elia Rabevahiny. Naneho noho izany io Filohan’ny Otrik’afo io, fa na eo aza ilay sazy, dia mahazo matoky ny rehetra fa tsy miova amin’ny tolona, ary tsy mampiova ny fijeriny sy ny antoko otrik’afo manoloana ny raharaha Base Toliara. Nomarihiny fa misy mizana tsindrian’ila amin’ity raharaha ity, ka ireo mpanohitra ny Base Toliara ihany no voaantso eny amin’ny Fitsarana mila ho isam-bolana, fa ny mpanohana avela malalaka, na misy aza ny herisetra samihafa. Navadika hoe : ny manohitra ny base Toliara dia manohitra ny Fanjakana ka aiza, hoy izy, ny lalàna sy andinin-dalàna na fehezan-dalàna famaizana milaza fa rehefa manohitra an’io, dia manohitra ny Fanjakana. Misy manao izay hanagadrana anay, fa indray andro any dia mbola ho tsapanareo hoe : soa ihany fa nijoro izy 6 lahy satria tsy hijanona eto io rahampitso sy rahafakampitso io dia mety ho any an-toeran-kafa, ka soa ho an’ny malagasy no iadivanay, ary isika rehetra samy manan-taranaka, hoy i Elia Rabevahiny nitondra teny fampisaintsainana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap