Na betsaka aza, hoy izy, ny fihetsika atao ampihemotra ny tena dia tsy mampihemotra ny miaramilan’i Jesosy izany. Efa manao tsipaky ny miala aina io fitondrana io. Aza gaga ianareo, raha hoe manendry ambasadaoro indray amin’izao ora farany izao satria tsy manana vahaolana. Roa ihany anefa no vahaolana ary izay ny ahy. Ny iray mampiasa ny tany efa misy hampamokarana ny vahoaka iraimanontolo. Faharoa, ny fampanarahan-dalana ny firenena. Izany hoe raha fintinina dia hamboly sy hampanara-dalana an’i Madagasikara satria izay no maha tonga ho azy ny mpampiasa vola fa tsy mpampiasa vola mafia sy satanika toy izao no mameno tanana. Ho lany aho amin’ity ary lalana nampizoran’Andriamanitra ahy avokoa ireny hatramin’ny nanao ben’ny tanana ireny. Antso tamin’ny alalan’ny toriteny norenesiko ny ahy fa tsy faminaniana dia ny hoe arotsahy amin’ny lalindalina ny harato, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’I Matio sy Petera. Rehefa niova tarehy tany an-tendrombohitra araka izay voasoratra ao amin’ny Matio koa Jesosy dia nomeny an’I Elia ny fanalahidy. Aty amin’I Eliace ankehitriny ny fanalahidy, hoy hatrany ny tenany. J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,