airtel

Politique

15-janv-2024

Fahefana mpanantanteraka

Ny seho ivelany efa nipoapoaka fa ny vokatra mbola miandry…

Sample post image

Notontosaina tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny lanonam-panolorana

15-janv-2024

ireo Mpikambana mandrafitra ny governemanta mandrafitra ny fahefana mpanatanteraka ao anatin’izao taom-piasan’Atoa Andry Rajoelina izao. Nambara fa manoratra pejy vaovao. Nisaotra ireo teo aloha satria ny toerana ifandimbiasana ka rehefa nanaiky hotendrena dia manaiky hiala. Nolazaina fa hentitra ny safidy mba ho tombotsoan’ny firenena, fomba fitantanana vaovao no apetraka,... Nanaovana fitsapana samihafa, nodinihana ny mikasika azy ireo, ny maha izy azy, fahaiza-mitantana, etika, «esprit analogique ». Tao anatin’ny adina am-bava no nampisongadina ny fahaiza-manao, ny fifehezana ny departemanta ministerialy sy ny olana, hoy i Andry Rajoelina. Nomarihina fa mila miasa tsara, ary manantena fa vonona hametraka fanamby ireo minisitra. Nisy ny fitsapana nahitana ny fahaiza-mitondra vahaolana, nametraka taratasy milaza ny paikady ahafahany mitondra vahaolana. Efa fanao maneran-tany ny « test psychométrique » hitarafana ny fahaizana mitantana, mamaha olana,… Nampiavaka ny fifantenana ny fampisongadinana ny traikefa izay tena nibahana, fanomezana sehatra ireo tanora manana fahaiza-manao. Navoitra ihany koa fa Governemanta misy tanora indrindra, nitantana sy nisahana ny Minisiteran’ny tontolo iainana izay vao 28 taona. Manome sehatra ny tanora izay mampisongadina ny zavatra nataony. 36 taona ihany koa ny Minisitry ny raharaham-bahiny, ka nilazan’i Andry Rajoelina fa mahatoky ny tanora. Mino fa hiasa ho an’ny vahoaka, ary handeha mafy kokoa, hoy izy. Nolazaina moa fa fifantenana tao anatin’ny mangarahara niandraketana manam-pahaizana manokana. Raha nanao ny sivana dia mba tena hampivoatra ny olona tena tokony ho eo amin’ny toerana sahaniny. Nanao ny fomba rehetra nametrahana ny olona manana fahaiza-manao amin’ny toerana tokony hisy azy na « la bonne personne à la bonne place ». 27 ny departemanta misy, saingy 500 no nametraka « CV », ka nilazana fa tsy minisitra ihany no ilaina, ary tsy very ireo « CV » fa hisy ny sampan-draharaha manokana,...
FOMBAFOMBA SY SEHO IVELANY
Niavaka indray aloha izany ny fombafomba nentina nanendry ny mpikamban’ny governemanta. Nasaina nanao fianinana ireo Minisitra, raha toa ka tsy dia nisy an’izay ho an’ny Praiminisitra. Tsy vao sambany ihany koa anefa no nilazana fa horefesina amin’ny asany ireo minisitra, toy ny nilazana tany aloha fa hisy tombana isaky ny enim-bolana, manatanteraka « contrat-programme »,… Ny kisehoseho sy ny fombafomba ivelany aloha izany izay no vita fa andrasana ny asa sy vokatra eo anatrehan’ny olana goavan’ny firenena : fitomboan’ny tahan’ny fahantrana, fitotonganan’ny toekarena, fijotsoan’ny sandam-bola, tsy fananan’asa, tsy fanjarian-tsakafo, delestazy lava, krizy ara-tsosialy, tsy fandriampahalemana,…
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap