airtel

Politique

24-mai-2023

Politique

Fakana fahefana no nahamaika Vizana sy lany bala, mandrindra krizy no iafarana

Sample post image

Ampangain’ny zava-misy hatrany ny Fitondrana Rajoelina, ka hita miharihary ho tsy niomana hitondra firenena fa niomana haka fahefana fotsiny tamin’ny 2018,

24-mai-2023

ary mbola miketrika mafy ny hitazonana izany. Tany amin’ny vina nentina nandresena lahatra ny vahoaka dia efa miharihary fa poakaty ilay IEM, raha tarafina amin’ny vokatra aty aoriana sy ny fiainam-bahoaka. Nolazaina fa niomana 4 taona, efa vonona ny IEM, efa vonona ny mpiara-miombon’antoka sy ny famatsiam-bola, tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra fa isika aza no hampindrana rehefa tonga eo, hatao 5 taona ny tsy vitan’ny mpitondra nifanesy 60 taona,... Mamarana ny 5 taona isika izao, dia iaraha-mahalala ny vokatra, fanadiovan-tena no betsaka, mivadika ny fomba firesaka,… Lazaina fa tsy vita 5 taona indray ny fampandrosoana, tanisaina lava ny krizin’ny coronavirus izay nahazoan’ny Fanjakana vola manodidina ny 1 miliara dolara kanefa ratsy tantana, averimberina ny ady any Ukraine,… Toa vizana sy lany bala ka mandrindra krizy sisa, fa ny vina nitsefotra ny ankamaroany. Nodradradradraina ny tetikasa Tanamasoandro hay tsy nisy vola, ny volan’ny CNaPS no nokajikajiana hananganana building, ary ny Filoha mihitsy no nilaza ny janoary 2020 fa ny misy 300 miliara Ar. Ny tetikasa “Autoroute” toa ny fametrahana vato fototra no nahamaika, fa ny tena fanatanterahana sy ny fomba fiasa nampiady hevitra. Ny 80km no nambara fa hovitaina hatramin’ny faran’ny taona 2023, farafahakeliny tokony efa misy 30km vita raha refesina amin’ny fotoana,… Ny namoahana ny 300 miliara Ar no nahamaika? Ny làlam-pirenena misy tapitra potika satria tsy nokojakojaina, ny nofaritana hatao betsaka no tsy vita ary ny sasany aza vato fototra dia nijanona teo toy ilay “voie rapide” ao Toamasina. Ny lalaon’ny Nosy efa niaraha-nahalala 3 na 4 taona tany aloha fa eto Madagasikara, kanefa dia ao anatin’ny 3 volana sisa no hanenjehana ny fahatarana 4 taona. Toa ilay Filoham-pirenena mihitsy no lasa miditra an-tsehatra amin’ny tsy asany, mba hakana doka. Lasa hamehana tahaka ny jirama nakana vola an’arivony miliara tamin’ny Minisitera samihafa ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy raha ny firesaky ny Filohan’ny Komity olaimpika izay nangataka ny hamoahan’ireo minisitra coach tsirairay ny vola hoentin’ny atleta Malagasy hanoman-tena. Ny delestazy miha mahery vaika, ny solika toa miady ho tandindonin’olana hatrany,... Ny fifidianana ho avy mbola baraingo satria milaza ilay fitondrana fa tsy maintsy hatao, kanefa tsy sahy mamoaka mazava ny tetiandro ofisialy, ny ara-bola mbola manahirana,… Izao ve no mbola heverina hotohizana 5 taona ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap