vanim-potoana mivaivay ara-politika izao. Mitovitovy amin’ny sary nitranga tamin’ny 2009, izay isan’ny nafana rehefa nanomboka nivaivay ny fitakiana politika hamoahana an-dry Voninaitsy Jean Eugène, Pety Rakotoniaina,… Isan’ny serasera politika nahazo vahana ary nahomby nentina nanafaingana ny fanonganana ny Filoham-pirenena tamin’izany rahateo ny resaka jadona, fanagadrana ireo tsy mitovy firehana politika,... Ankehitriny, manomboka mandeha ny fitanisana ny famoahana an’ireo olona nogadraina sy migadra amin’izao fitondrana Rajoelina izao, izay betsaka amin’izy ireo no kasaina ho « lo » any am-ponja ka toa tsy misy herijika ho tafavoaka raha tsy miala eo ny Fitondrana Rajoelina. Anisan’ireny i Mbola Rajaonah, mpandraharaha ara-toekerana nanohana ny mpifaninana tamin-dRajoelina nandritra ny fifidianana 2018, izay nenjehina ho nanao kolikoly samihafa. Nolazaina aza fa ananan’ny Fanjakana volabe tsy toko tsy forohana. Ny 13 febroary 2019, iray volana latsaka taorian’ny fianianan’i Andry Rajoelina no nosamborina sy nampidirina am-ponja, ary tsy afa-bela mandrak’androany. Ny jolay 2020, nosamborina ihany koa ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, rehefa notondroina ho naniraka olona hitaky ny famoahana an’i Berija Ravelomanantsoa. Niitatra toy ny sima nisioka ny vesatra, ka na efa nisintona ny taratasy fijoroana vavolombelona tamin’ny raharaha mahakasika mpandraharaha matanjaka iray tany amin’ny Fitsarana Frantsay. Mandrak’ity ny androany, tsy mety afaka, fa mipirina ao am-ponja. Efa hiditra 2 taona ihany koa no nampirimina any am-ponja i Lola Rasoamaharo tompona orin’asan-gazety izay nasiatsiaka sy nitsitsy tamin’ny resaka tsikera ara-pitantanana sy ara-politika, izay nenjehina ho nanao heloka ara-toekerana tamin’ny resaka Jirama ankoatra ireo vesatra hafa. Anya m-ponja tsy nisy tohiny intsony ny mikasika ilay tanora Stan’ley Ramarivelo izay notondroina ho tao ambadika kaonty facebook mpanompa sy mpaniratsira fitondrana. Nialohan’izany no efa nisamborana an’i Bearinirina Marcelin izay nahasahy nidina sy nanentana olona hirotsaka an-dalambe teny amin’ny 13 mey sy nanohintohina ny fianam-pianankavian’ny Filoham-pirenena. Efa 5 taona any ho any no nilentika an-tranomaizina. Nidoboka am-ponja nanomboka ny septambra 2022 i Mahery Lanto Manandafy, izay miandry ny fivoahany. Ity farany izay tsy nitsitsy namoaka raharaha mahakasika olona ambony, manam-pahefana, teratany vahiny,… dia nampirimina any am-ponja. Dia ireny ihany koa ny raharaha « Apollo 21 » izay nilazana fa nisy fikasana hifofo ny an’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Notakian’ny Frantsay ny famotsorana ireo teratany vahiny, ka nafindra any Frantsa ilay miaramila Frantsay teo aloha Philippe François dia io fa efa anaovan’ny Firenena Mikambana na ONU fanairana ny famoahana an’i Paul Rafanoharana. Mety ho tsy maintsy havotsotra na ho ela na ho haingana ? Dia ahoana ny momba ireo Malagasy nalentika tamin’iny raharaha iny? Vao iray volana latsaka ihany koa no iny nosamborina iny i Jean Luce Randriamihoatra, rehefa nolazaina fa nanao piratazin’ny tranonkalan’ny CENI, ary nambara fa niaiky ny helony,… Hifamotika sy hifanagadra lava noho ny tsy fitovian-kevitra politika ve ? Ny tsy maha eo intsony ny Fitondrana Rajoelina no hany hirika hananan’ireny olona ireny herijika ho tafavoaka ny fonja indray ?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo