vonjimaika tetsy amin’ny CENI Alarobia ny sabotsy teo. Ireo kandida mivondrona ao anatin’ilay antsoina hoe firaisankinan’ny kandida miisa 10 na CC 10 moa efa niteny mazava fa heverin’izy ireo sy ny mpiaradia aminy ho toy ny tsy misy iny fifidianana notontosaina ny 16 novambra teo iny. Ny kandida laharana faha 13, Siteny Randrianasoloniaiko, kosa ny zoma no nitroatra niaraka tamin’ny ekipany noho ny fahitan’izy ireo fa tsy mitovy ny fampitahana na “confrontation” tamin’ny fitanana an-tsoratra na P.V teo an-tanan’izy ireo sy ny an’ity lazaina fa kaomisionim-pirenena mahaleontena momba ny fifidianana ity. Ny tena nanaitra ny mpanara-baovao aza dia ny tsy nanotronan’ny kandida laharana faha 11, Sendrison Daniela, ity fotoana ity ihany koa. Ity kandida voalaza farany ity moa izay sady tsy niaradia tamin’ny firaisankinan’ny kandida no voalaza fa efa tsy manana zom-pirenena malagasy toy ny kandida laharana faha 3, Andry Rajoelina, ihany koa, raha ny fanazavan’ireo mpiaradia amin’ireo firaisankinan’ny kandida ny andininy faha 42 mikasika ny sata momba ny zom-pirenena malagasy. Lasa ohatran’ny resa-pianakaviana, hoy ny tsikera maro, ity famoahana voka-pifidianan’ny CENI ity.
J. Mirija
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,