airtel

Politique

25-avril-2024

Famotehana ara-politika

Tsiponina ara-pitsarana ny mpanohitra, diovina ny mpitondra

Sample post image

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

25-avril-2024

Kandidan’ny vovonana Firaisankina ao Atsirabe I, efa minisitry ny varotra teo aloha, loholona, mpikamban’ny birao politikan’ny TIM ary olona isan’ny tena akaiky an’I Marc Ravalomanana hatrizay. Nofongarina ny dosie efa tany amin’ny 15 taona lasa, ary nadoboka any am-ponja tsy nisy fisalasalana. Nandeha ny fitakiana samihafa amin’ny hamoahana azy omaly, ary tonga hatramin’ny antso avo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manana ny heveriny ho fahamarinana ny mpitsara, saingy toa manamafy ny fisiana baiko ara-politika handetehana ireo mpifandrina ara-politika amin’ny fitondrana. Fifandrifian-javatra ve ny hoe: aty anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana mihitsy no nanetsika ny dosie ny tendro-pitsarana misahana ny kolikoly, ka nandeha ny fisamborana sy fanagadrana avy hatrany? Marina fa mety fomba fanao ny “garde à vue” na ny fampidirana am-ponja vonjimaika, saingy betsaka no mandika ny zava-mitranga ho famotehana ara-politika. Mbola olon’ny TIM ihany koa ny depiote Fetra Ralambozafimbololona izay nosamborina ny 8 novambra 2023 sy notazonina efa ho tapa-bolana latsaka teny amin’ny zandary, notaritarihina teny amin’ny fitsarana, nialan’ny HCC bala ho tsy mahefa ny resaka zo tsy azo henjehina,… dia hatramin’izao tsy hita izay niafarany. Mbola olona tsy nitovy fijery tamin’ny olon’ny fitondrana ihany koa ny ben’ny tanànan’Antsiranana Atoa Djavojozara Jean Luc izay nanetsehana dosie tany amin’ny PAC Mahajanga nialohan’ny fisokafan’ny fandrotsahana antontan-taratasin’ny kandida solombavambahoaka satria voalaza fa tena atahorana mafy ny fahalaniany noho izy manana herijika ambony sy tena mamim-bahoaka.
DIOVINA NY OLON’NY FITONDRANA NANANA DOSIE
Ankilany anefa, tsikaritra ho nangina sy tsy nisy tohiny ireo dosie nahakasika ireo olon’ny fitondrana. Betsaka amin’ireo nanana dosie goavana no kandida lohalisitra amin’ny IRMAR amin’izao fotoana izao ka asa hoe: vitavita foana ve ireo raharaha mikasika azy ireny ary hodiovina amin’ny fifidianana mba hialokaloka anaty zo tsy azo henjehina. Fampahatsiahivana sy fanamarihana ary fanontaniana fotsiny no apetraka hoe: mby aiza ny tohin’ny raharaha fampiasana sy fisolokiana ny anaran’ny antenimierampirenena tamin’ny fitaterana hazo tsy ara-dalàna nahasaringotra ny depiote Lanto Rakotomanga tany Alaotra Mangoro. Ny tenany izay mbola kandida ao amin’ny Boriborintany faha-2. Nialohan’ireny saingy tsy hita tohiny raharaha ahiahina kolikoly sy kiantranoantrano nahasaringotra ny Minisitry ny atitany teo aloha Atoa Tianarivelo Razafimahefa tamin’ny raharaha “écran plat” tamin’ny vaninandron’ny tetezamita, saingy nangina. Mbola nisy ampamoaka maro samihafa toy ny fanabontsinana faktiora ka vilany ira novidiana 1 tapitrisa fa mba iza no tompon’andraikitra nenjehin’ny Fitsarana tamin’ireny ? Tahaka izany ihany koa ny raharaha nahasaringotra ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza izay nitarika ny fialany tamin’ny toerany ny febroary 2022. Mifandraika amin’io, dia voatonontonona tamin’ny raharaha kolikoly fakana vola 400 tapitrisa Ar tamin’ny teratany Srilankais voasambotra tamin’ny afera trafikana vatosoa ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Tinoka Roberto raha ny karazana ampamoaka sy horonam-peo niparitaka. Tsy resaka fankahalana na tsy fitiavana ireny olona ireny, raha mamerina mampahatsiahy, fa toa manamafy an’ilay ventin-kevitra navoakan’ireo mpahay lalàna sy mpitsara tetsy amin’ny La Rotonde Besarety ny talata teo fa tena misy ny baiko politika amin’ny fitsarana ka toa izay tiana hasiana ihany no voa ary misy ny vitavita ho azy? Mitovy ve ny rehetra eo anatrehan’ny fitsarana ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap