airtel

Politique

06-oct-2026

FAMPIHAVANANA POLITIKA

Tsy tokony atao fitaovana

Sample post image

hanakonana ny Marina

06-oct-2026

Misy olona milaza amin’izao fotoana izao fa : “Tsy hisy ny Fanorenana Vaovao raha tsy misy ny fampihavanana sy ny fampitoniana.”.Marina fa ilaina ny fandriampahalemana. Ilaina koa ny fampihavanana, Tsy misy olona te hahita fifandirana sy korontana mitohy eto amin’ny firenena.Saingy mila mametraka fanontaniana mazava isika : Fampihavanana inona no resahina? Iza no hampihavana amin’iza? Ary inona no tokony ho fototry ny fampihavanana?
AOKA TSY AFENINA NY MARINA
Raha fampihavanana eo amin’ny vahoaka no resahina, dia zavatra tsara izany. Fa raha fampihavanana eo amin’ireo mpanao politika izay efa nanao ratsy tamin’ny fanjakana, na olona mbola ahiahiana amin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka, fanararaotam-pahefana, na raharaha momba ny harena voajanahary, ka ny tanjona dia ny tsy hiresahana intsony ireo raharaha ireo, dia mila mitandrina isika, hoy ny hevitr’i Zaza Ramandimbiarison satria tsy fampihavanana izany. Fanafenana ny marina izany.
TSY AZOKO EKENA NY TSIMATIMANOTA
Tsy tokony hatao hoe “fampitoniana” ny fampanginana ny vahoaka ka hanaovana fanasana atidoha ny hoe “Aoka izay ny ady. Aoka izay ny firesahana ny lasa. Mila mijery ny ho avy isika.”Eny, mila mijery ny ho avy isika, fa tsy midika izany hoe tokony hohadinointsika ny lasa, hoy hatrany izy. Raha misy volam-bahoaka very, mila fantarina hoe aiza no nalehany.Raha misy fanodinkodinana volam-panjakana, mila fantarina ny marina.Raha misy harena voajanahary nalaina na nampiasaina tamin’ny fomba tsy ara-drariny, mila hazavaina izany.Raha misy olona nampiasa ny fahefam-panjakana ho tombontsoany manokana, mila jerena ihany koa izany.Tsy fankahalana olona fa adidy amin’ny firenena izany. Tsy tokony hohadinointsika fa ny vola an’ny fanjakana dia volan’ny vahoaka. Ny harena voajanahary dia harenan’ny firenena, fa tsy fananan’olona vitsivitsy. Tsy tokony hisy olona ambonin’ny lalàna.
MANAJA LALÀNA
Mila mazava tsara hoy i Zaza Ramandimbiarison fa tsy fanovana olona fotsiny no atao hoe Fanorenana Vaovao. Raha tena “Fanorenana Vaovao” no tadiavina, tsy ampy ny manova olona eo amin’ny fitondrana, tsy ampy koa ny manao kabary vaovao, tsy ampy ny mamorona rafitra vaovao.Ny tena fanorenana vaovao dia rehefa miova ny fomba fitondrana ny firenena.Tsy maintsy misy : mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka ; mandeha ny ady tena izy amin’ny kolikoly ; afaka miasa tsy misy tsindry ny fitsarana; ny fanaraha-maso hentitra ny volam-panjakana ; tahaka izany ihany koa ny fiarovana ny harena voajanahary. Aoka hazava tsara hoy izy fa raha olona vaovao ihany no apetraka, nefa mbola mitovy ny fomba fanao, dia tsy fanorenana vaovao izany. Tsy midika hoe mamafa ny marina ny fampihavanana, tsy mila fifanarahana miafina eo amin’ny samy mpanao politika ny vahoaka. Mila Fanjakana marina, akaiky ny vahoaka madio ary mijoro amin’ny lalàna izy. Izany no tena Fanorenana Vaovao. (Sary fanehoana)
RTT
 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

Tanteraka raha manohana

Card image cap
05-oct-2026

Rajosoa no hitarika ny ao Toamasina

Card image cap
05-oct-2026

nentina, voafehy sy miakatra ny toekarena

Card image cap
05-oct-2026

ilaina fa tsy politikan'ady seza

Card image cap