CENI ny didim-pitsaràna hampidirana ny anaran'ireo olompirenena ao amin'ny lisitry ny mpifidy, taorian'ireo fangatahana marobe avy amin'ny olompirenena. Mbola afaka manatona ny Fitsaràna ambaratonga voalohany ny olompirenena hatramin'ny 3 desambra, miaraka amin'ireto antontan-taratasy ireto : dika mitovin'ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana, taratasy manamarina ny tsy maha ao anaty lisitry ny mpifidy (alaina eny amin'ny CED), araka ny seraseran'ny CENI.
MAMPANAHY
Mampanahy anefa ny zava-misy hoe: tena ho fanomezan-jo ny olom-pirenena tokony ho mbola ho afaka hifidy sa misy kajy hoenti-manome vahana antoko na vondron'olona manokana hampandresena ny kandidany. Tranga efa notaterina teto ny herinandro lasa teo ny fisiana fangatahana maro be izay tsy hita sy tsy tonga nanao ny "dépôt de signature" akory ny lazaina fa mpangataka fa solontena na "mandataire" izay voalaza fa olon'ny "kandidam-panjakana". Fangatahana mandeha irery na "individuel" anefa izy ity raha ny tokony ho izy fa tsy hoe: ireto ny lisitry ny olonay mba ampidiro ao. Ny kandida Tahina Razafinjoelina N°2 eto Antananarivo dia nanamafy tao anatin’ireo adihevitra roa nifanaovan'ireo kandida, fa tsy misy dikany ny adihevitra tahaka izao raha tsy mazava ny fitsipi-dalao. Mangataka amin'ny anaran'ny kandida rehetra ny hamoahana sy hanomezana ny lisi-pifidianana na ny efa teo na izy tovanana « jugement supplétif ». I Tahina Razafinjoelina izay naneho fa ahiana ny fampiasana "mercenaire des votes" ka raha hibontsina 120 000 na 150 000 ohatra ny mpifidy dia inona no azon'ny kandida eto Antananarivo atao ohatra? Tena misy mangarahara tokoa ve io? Tena madio ve ny lisi-pifidianana izay efa ny Filoha Lefitry ny CENI teo aloha no nanao ampamoaka resaka "doublon" taorian'ny fifidianana 2018-2019? Niantso ny rehetra hanao andrimaso ny fifidianana noho izany i Tahina Razafinjoelina taorin’ny diabe notarihiny ny sabotsy teo.
MISY MILAZA FA EFA VORY NY POROFO MIKASIKA NY TETI-DRATSY
Efa nitaky an'io izahay, ry zareo no milaza fa tsy ilaina intsony ny korontana, kanefa ry zareo no mitarika azy. Efa misy bileta voamarika mialoha,... hoy kosa ny kandida Monja Roindefo. Ny depiote sady kandida Gascar Gascar Fenosoa nanao ampamoaka fa amin’izao fotoana izao dia manangona dika mitovina karapanondro sy fanamarinam-ponenana ny fokontany rehetra manerana an’Antananarivo. Ny zava-misy dia aterina any amin’ny sefo distrika, omena ny CENI hamoahan’ny tribonaly « ordonnance » ka eran’Antananarivo no misy an’izany ka andao hojerena ilay lisitra hoe : izay no manao an’izany ? Iza no manana fahefana hanao an’izany ? hoy io kandida io. Nampiany fa misy manangona vahoaka ivelan’Antananarivo omena « ordonnance » ary asaina mifidy eto Antananarivo izay nilazany fa vory ny porofo ary ny vahoaka tsindriana isam-pokontany ihany no manome loharanom-baovao. Namoaka fanambarana ihany koa ny Antoko TIM ka nilaza fa mety ho fomba hahafahana manao hosoka amin’ny Lisitry ny Mpifidy io fanapahan-kevitra. Mametra-panontaniana io antoko ny amin’ny fe-potoana hanontàna ny lisitry ny mpifidy sy ny karatry ny mpifidy vaovao izay dimy andro monja. Amin’ny fotoana manao ahoana ary aiza no hahafahan’ny Mpifidy rehetra hanao ny fanamarinana sy fanitsiana ny anarana ? hoy io antoko io. Mbola tsy nisy teo amin'ny tantara ny hoe: herinandro mialohan'ny fifidianana mbola mampiditra olona ho afaka mifidy ka asa tokoa na fanomezan-jo ny olom-pirenena tokoa na miharo tetikady maloto goavana? Hiray feo ve ireo mpifaninana hitaky ny mangaraharaha sy hanomezana ny rehetra ny lisi-pifidianana ?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo