airtel

Politique

07-janv-2026

Fanakorontanana ny

governemanta Misy miezaka mampiady i FANIRISOA sy GASCAR

Sample post image

Nisy resaka niparitaka tao amin’ny

07-janv-2026

tambazotran-tserasera facebook omaly ny resaka manao hoe : Misy ekipa avy tao amin'ny Gascar niresaka amin'ny Admin mba hamelezana an'i Fanirisoa saingy mananosarotra ihany ilay izy.Ny Admin moa nilaza mazava fa tsy afaka manao zavatra mampiditra gagazo .Santionany tamin'ny dossier nomeny anay ity taratasy ity fa hoe mpitsara efa noesorina tamin'ny toerany i Fanirisoa sns…
FAMPIADIANA
Ajanona eo iny resaka iny na dia mbola misimisy ihany aza ny anarana olona voatonona ao. Tsy any amin’ny hoe marina sa diso ny adihevitra fa ny tsapa tato ho ato izay dia misy rivotra mitsoaka avy etsy sy eroa manaratsy , manasoketa, manoso-potaka olona ao anatin’ny fitondram-panjakan’ny fanavaozana. Ary hita ho misy paikady hafahafa izany miezaka mampiady , mampifandrafy ny samy manampahefana na samy mpikambana ao anatin’ny governemanta. Raha ny fahitana ity vaovao niparitaka nanomboka omaly ity aloha dia ezahana ampiadiana ny minisitra roa dia i Fanirfisoa Eranaivo, minisitry ny fitsarana sy Gascar Fenosoa minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Olona samy manana ny maha izy azy ao anatin’ny governemanta ireo ary manana andraikitra goavana amin’ny fametrahana ny fototry ny fanovana eto bamin’ny firenena. Raha sanatria ireo no tsy mifankahazo na miady dia ho sary ratsy ho an’ny fitondram-panjakana iray manontolo .
FANDRAISANA FEPETRA
Mipetraka ary eto ny fanontaniana ; ahoana ny momba io vaovao nisy nanapritaka omaly io ? Resaka marina ve sa tsaho ny mety ho tsy fifankazahoana eo amin’ny minisitra Fanirisoa sy ny minisitra Gascar ? Iza no mahita tombotsoa amin’ny fampiadiana na fifampiifandrafesana nh samy mpikambana ao amin’ny governemanta ? Inoana anefa fa olon-kendry fa tsy sanatria akoho mpiady ireto minisitra ireto ka ahalala tsara ny tokony ataony ary ho hentitraamin’ny fandraisna fepetra manoloana ireo mialokaloka ao ambadiky ny fahalalahana maneho hevitra kanefa mety roboka amin’ny fanapariahana tsaho sy vaovao tsy marina.
RTT

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap